Nôrvezy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Haintsoroa (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Haintsoroa (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-55:
[[Oslo]] no renivohiny ary ny norveziana no teny ofisialy ampiasaina.
 
Norvezy dia Fanjakana Enti-mpanjaka, Harald V no manjaka ao, ary mbola eo ambany fiandrianany ireo nosy kely toa ny nosy [[Jan Mayen]], ny nosy [[Pierre Ier]], ny nosy [[Bouvet]], ary ny fitambaran'ireo nosy kelin'i [[Svalbard]].
 
 
Andalana faha-71:
 
Ny fizakan-tena azon'ny Soeda , taorian'ny fikomian'i Gustave Vasa, dia nanafoana ny fiombonan'ny Kalmar tamin'ny taona 1523. Na izany aza, dia mbola teo ambany fanapahan'i Danemarka ihany Norvezy. Tamin'ny tapany voalohany tamin'ny taonjato faha XVI, dia nandray ny fivavahana loterana ny mpanjakan'i Danemarka, ary ny vahoakany rehetra dia nampanarahina izany koa.
 
Ny fanjakana danoa-norveziana dia niandany tamin'ny Napoléon tamin'ny fotoan'androny. Koa rehefa resy ito farany dia nomen'ireo mpandresy an'i Soeda i Norvezy. Nanoloana izany, dia natsangana ny antenimiera mpanorina, izay nivory tao Eidsvoll, ka nanambara ny fahaleovantena'ny Norvezy ary nandany ny lalam-panorenana. Ary dia ilay printsy danoa, Christian-Frédéric no notendren'ny mpivory ho mpanjaka. Nisy ny fifanarahana tamin'ny Soeda tato aoriana, ka nekena ny maha-fanjakana mitokana an'i Norvezy saingy eo ambany fanapahan'ny mpanjakan'ny Soeda ihany. tsy mora anefa no nahatongavana tamin'izay satria tsy nety niala i Christian-frederic raha tsy taorian'ny nandefasana tafika hanala azy.
 
== Jeografia ==