Nôrvezy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Magnefl (dinika | fandraisan'anjara)
Hiram-pirenena
Haintsoroa (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-61:
Ny heverina ho mpanjaka voalohany nanapaka an'i Norvezy iray manontolo dia i Harald Tsara volo ( 872-933). Ny zanany lahimatoa, Erik "famaky Lian-dra" dia naongan'i Haakon ilay Tsara, lehibe-na viking , tamin'ny taona 935. Ny zafikeliny, Olaf Tryggvason (995-1000) no nandimby azy, saingy dia noroahin'i Sven "Somotra misamaka", mpanjakan'i Danemark izy io. Tamin'izany, i Norvezy dia nifampizaran'i Sven sy ny Jarls avy any Trondheim. Ny mpanjaka Olaf Haraldsonn, izay nametraka ny renivohiny tao trondheim, no azo heverina fa ray mpanorina ny fanjakana norveziana tamin'ny taona 1016. Ity mpanjaka ity, izay viking teo aloha, no nitondra tamin'ny ny vahoakany tany norvezy ny fivavahana kristiana
 
Tamin'ny taonjato faha XIII dia nisy tovolahy mpanao anjoria anakiray nantsoina hoe Sverre Sigurdsson nandrombaka ny fitondrana ka nanangana dinastia vaovao , izay nitoetra tao Bergen. Nohon'ny fitomboan'ny herin'ny ligin'ny hansea tao an-tananatanàna, dia nafindra tao Oslo ny renivohitra tany amin'ny fiandohan'ny taonjato faha XIV.
 
Tamin'ny taona 1380 dia niara-maty tamin'ny mpanjaka Haakon VI ny dinastia norveziana. Ny vadin'ity mpanjaka ity manko, Margrethe avy any danemark manko no nahazo ny fanjakàna ka nanomboka teo dia niray i Danemark sy Norvezy. Tonga nanampy io firaisana io, nantsoina hoe "Fiombonan'i Kalmar" koa i Soeda tamin'ny 1397. I Danemark no firenena azo lazaina fa nitondra tao anatin'io fiombonana io, ary ny taniny rahateo no teny nampiasaina tanivon'ny fanjakana, ka i Norvezy dia toy ny faritany anankiray nentina ihany.
 
== Jeografia ==