Fiteny frantsay: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k Rôbô : Fanoloana soratra ho azy (- hoatr[ay] + ohatra, - ohatry + ohatra)
Andalana faha-14:
Ny '''fiteny frantsay''' dia fiteny ao amin'ny vondron'ny fiteny rômana, vondrona isian'ny fiteny rehetra avy amin'ny fiteny latina taloha (espaniola, italianina, sns.) tenenina any [[Frantsa]] (na dia any [[Tany frantsay ampitan-dranomasina|ampitandranomasina]] aza), tany niaviany, any [[Belzika]] (any [[Valônia]] ary any [[Bruxelles]]), any [[Monaco]], any [[Kanada]] (Québec, Ontario, Nouveau-Brunswick) ary any Soisa rômanda (anisan'ny teny ofisialin'i Soisa ny fiteny frantsay). Ahitana mpiteny frantsay koa any Etazonia (ao Louisiane indrindra indrindra), any Haïti, any Seisela, any amin'ny Nosy Maorisy, any Vanuatu ary any Italia (Val d'Aoste). Betsaka koa ireo mpiteny frantsay avy any Afrika, indrindra indrindra ao amin'ny zanatany frantsay taloha (Afrika Andrefana Frantsay, Afrika Ara-pehibe Frantsay, Madagasikara).
 
Ny fiteny frantsay dia fiteny faharoa na fahatelo be mpiteny indrindra manerana izao tontolo izao, ohatryohatra ny any amin'ny [[Repoblika Demokratikan'i Kongo]], firenena be mponina indrindra manerana ny frankôfônia ary anisan'ireo firenena 29 mampiasa ny teny frantsay ho teny ofisialy irery na ofisialy miaraka, ny ankamaroan'ny firenena ao [[Afrika Andrefana]]. Ireo firenena ankehitriny mampiasa ny fiteny frantsay ireo dia zanatany frantsay ary beljianina taloha. Vitsy ihany ireo olona nibe tamin'ny fiteny frantsay any Afrika, indrindra any Côte d'Ivoire na any Gabon ; ireo olona ireo dia matetika mipetraka eny ambonivohitra.
 
Any Frantsa, ny fiteny frantsay dia anisan'ny marika ny maha-frantsay : teny frantasy no teny ofisialin'ny [[Repoblika frantsay]] (andininy faharoan'ny [[Lalam-panorenan'ny Repoblika Frantsay Fahadimy|lalampanorenan'ny 1958]]). Fitaovana iparitahan'ny [[kolontsaina frantsay]] manerana izao tontolo izao koa io fiteny io. Manana fikambanana manan-tanjona mampana-boambolana frantsay koa ny fiteny frantsay, tamin'ny didi-panjakan'ny 3 Jolay 1997 mahakasika ny fampanana-boambolana ny fiteny frantsay.