Fiteny soedoà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Distribution-sv.png|250px|right|thumb|Ny fiparitahan'ny olona miteny soedoa]]
 
Ny '''fiteny soedoa''' (''svenska {{hiaino|Sv-svenska.ogg}}'') dia fiteny jermanika tenenina any avaratr' [[Eoropa]]. Ny isan'ny olona miteny io fiteny io dia folo tapitrisa ; ny ankabeazan'ny mpiteny soedoa dia any Soeda ary misy fikambanana vitsivitsy any Finlandy, ireo firenena ireo mampiasa ny fiteny soedoa ho teny ofisialy.
 
Ny fiteny soedoa dia fiteny mitovitovy endrika amin'ny fiteny norvejiana sy ny fiteny Danoa, ary mety mifankahazo ny olona miteny iraika amin'ireo teny telo ireo. Ny anton'ny fifankahazoana ny mpiteny soedoa, danoa sy norvejiana dia zareo avy amin'ny [[fiteny norsa taloha]], fiteny tenenin'ny foko jermanika tany [[Skandinavia]] nandritry ny fitaon'fitaona ny [[Viking]].
 
Ny fiteny soedoa tsotra, tenenin'ny ankabeazan'ny olom-pirenena soedoa, dia tenim-pirenena avy amin'ny fiteny soedoa maromaro notenenina teo amin'ny faritra afovoany tamin'ny taonjato faha 19 hatramin'ny fanombohan'ny taonjato faha roapolo. Ny fiteny soedoa soratana dia iray ihany, fa ny fiteny soedoa tenenina dia arakaraky ny faritra isiana. Ny fiteny sasantsasany dia mety samihafa be amin'ny fiteny soedoa tsotra na amin'ny lafin'ny fitsipi-pitenenana na amin'ny lafin'ny voambolana ampiasaina, ary mety tsy mifanitsy amin'ny fiteny soedoa tsotra izy. Ireo fiteny sarotra azo ireo dia voafetra amina velarana ny ambanivohitra ary vitsivitsy ihany ny isan'ny olona miteny azy. Ankehitriny ny ankabeazan'ny fitenim-paritra mitady ho very fa ampazoton'ny governemanta sy ny fahefana ny soedoa hiteny ny fitenim-paritra.
 
Ny rafitry ny fehezanteny dia Mpanao-Matoanteny-Fameno, fa mety ovaovaina izy arakaraky ny teny ampiasaina sy ny fehezanteny ; mitovitovy amin'ny teny anglisy ny endriky ny fiteny soedoa, fa betsabetsaka kokoa nohon'ny teny anglisy ny fiovan'ny teny. Misy karazan-teny anakiroaroa, tsy misy fiovana ara-pitsipi-pitenenana, misy fiovan-teny ara-arak'isa (nombre). Betsaka ny isan'ny zanapeo amin'ny fiteny soedoa ary mifanakaiky izy matetika.
 
== Ny filaharan'ny fiteny soedoa ==