Facebook: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
'''Facebook''' dia sampan-draharaha [[tambajotra ara-tsosialy]] noforonina ny volana Febroary 2004 izay karakarain'ny oriansa Facebook Inc. Tamin'ny volana Septambra 2012, nihoatra ny iray miliara<ref>"Facebook Tops Billion-User Mark". The Wall Street Journal (Dow Jones). 4, 2012. Novangiana ny 4 Okt. 2012.</ref> ny isan'ny mpampiasa an'i Facebook, ary mahery ny antsasak'izy ireo no manao Facebook eo amina [[finday]]<ref>[http://www.nytimes.com/2012/05/15/technology/facebook-needs-to-turn-data-trove-into-investor-gold.html?_r=0 Facebook’s Prospects May Rest on Trove of Data] novangiana ny 30 Des. 2012</ref>. Tamin'ny volana Oktobra 2012 ny tranonkala facebook izay manana ny adiresy www.facebook.com dia tranonkala faharoa voavangy indrindra eo amin'ny Aterineto aorian'i Google.

Tsy maintsy misoratra ny mpikambana vao afaka mampiasa ilay tranonkala, ary rehefa vita izany dia afaka mamorona ny takelany, mifandray amin'ny mpikambana hafa izay nampiany ho namana ary mifanakalo hafatra. Miampy amin'izany koa ny fahafahana miditr anaty vondrom-pikambana ary manasokajy ny namany anaty lisitra manokana ("namana akaiky", "mpiara-miasa"...).
 
== Tantara ==