Havandra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-6:
 
== Fiaviana ==
 
Ny havandra dia miforona ao anaty rivotra mafana sy mando, eo ambonin'ny hafanana ivaingananana, mitsingilahila. Ny rivotra voaainga dia lasa ampoka satria ny hafanan 'ilay etona dia midina rehefa mihakatra eny ambony araka ny lalan'ny [[etona tonga lafatra]]. Ny rano ambiny dia mamorona ilay rahona dia aveo mamorona ny orana. Miitatra hatrany arakaraky ny herin-drivotra mihakatra ny hangezan'ny havandra, ary mivaingana avy hatrany izy ireo. Rehefa mi[[vaingana]], ny tete-drano dia dia tsy maintsy ao ambanin'ny hafanana ivaingina ary mahita vaonina ivainginana. Raha tsy mahita izy, dia mijanona ranoka izy ary mijanona toy io foana raha mahery ny -39°C ny hafanana, io zavatra io dia afahany mihakatra any an-tapon-d[[rahona]].
 
Rehefa mivaingana any ambonin'ny [[trôpôsfera]] (eo ambonin'ny atmôsferan'ny tany) manan-kafanana latsaky ny -10°C ny [[tete-drano]], lasa vaonina ivainginana izy. Amin'ilay tsindrin'ny entona fiampohan'ny ranomandry latsaky ny an'ny rano ao ambanin'ny 0°C, ny enton-drano ao anatin'ilay rivotra mihakatra izany dia mora midanizina kokoa eo amin'ny vaonina ranomandry noho ny eo amin'ny rano. Ny havandra izany dia miitatra haingankaingana kokoa noho ny [[tete-drano]] ao anaty [[atmôsfera]] mando tahaka ny rahon'[[orambe]].
 
== Jereo koa ==