Orana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
MerlIwBot (dinika | fandraisan'anjara)
k Rôbô Nanampy: lad:Luvya
min'ny
Andalana faha-1:
[[Sary:Rain in Kolkata.jpg|orana latsaka any an-dalana. [[Kolkata]] ([[India]])|thumb|220px|right]]
 
Ny '''orana''' dia [[rano]] milatsaka avy amin'ny [[rahona]] anyeny an-danitraaminy habakabaka, eto an-tany, ny orana dia vokatry ny [[fiando]]n'ny [[evoka]]n'ny rahona rehefa mihamangatsiaka ny andro. Ny orana dia [[loharano]] voalohany ho an'ny ankabeazan'ny tany, satria manome toetra tsara ipetrahan'ny zava-misy sy ny zava-manan'aina (biby sy zava-maniry). Saingy tsy tonga eto an-tany eto ny orana rehetra, miverina any an-d[[ranomasina]] ny 80 isan-jaton'ny orana latsaka. Ho an'ny orana tsy milatsaka eny an-dranomasina, misy zava-mitranga tenenina hoe « virga » amin'ny teny anglisy, ny virga dia orana tsy milatsaka amin'ny tany fa orana lasa evoka alohan'ny fahatongavany eto an-tany. Any amin'ny tany mafana no tena misy izany fisehoana izany.
Misy karazany ny orana: ny '''erika''' izay orana madinika mifafy amin'ny vanin-taona mangatsiaka (ririnina); ny '''orapiso''' izay orana kely tsy mahalena tany na tsy nanorika; ny '''orambaratra''', orana mivatravatra avy amin'ny vanin-taona mafana na fotoam-pahavaratra, ny '''orambatravatra''' izay orana manila fihavy ny lohataona.
Raha mivaingana ny rano milatsaka avy eny amin'ny habakabaka dia atao hoe havandra sy orampanala.
 
== Jereo koa ==