Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
== NY NAHATERAHAN’ANDRIANAMPOINIMERINA ==
 
Raha tsiahivina, dia fanjakana iray tsy mivaky Imerina hatramin’ny mpanjaka [[Ralambo]] (1575-1610) ka hatramin’ny mpanjaka Andriamasinavalona. Nozarain’Andriamasinavalona tamin’ny zanany efa-dahy ny faritry ny fanjakany ka nisy fanjakana 4 teto Imerina dia teo [[Antananarivo]], [[Ambohidrabiby]], [[Ambohimanga]] ary [[Ambohidratrimo]] izay samy nanana ny renivohiny avy. Nifandrafy ireo fanjakana merina 4 ireo ka voatelin’ny fanjakan’Ambohimanga ny an’Ambohidrabiby ka telo sisa dia ny fanjakan’Ambohimanga, ny fanjakan’Imerinatsimo (nanana an’Antananarivo ho renivohiny) ary ny fanjakan’Ambohidratrimo. Ireo fanjakana merina ireo nohodidinin’ireo fanjakana tsy merina dia ny fanjakan’Anjozorobefanjakan’[[Anjozorobe]] tao avaratra sy avaratra antsinanana, ny fanjakan’Andratsay tao atsimo, ireo fanjakan’ny bezanozano tao atsinanana, ny fanjakan’Imamo tao andrefana atsimo ary ny fanjakan’Vonizongo tao andrefana avaratra. Na dia niadiady aza ireo fanjakana merina 3 ireo dia tsy nisaramianakavy fa nifanambady ny ankohonan’ireo mpanjaka tao amin’izy ireo mba hitazomana ny hasindrazana sy ny fihavanana.
 
Saingy, fony [[Andriambelomasina]] (1730-1760 aorian'ny JK) no nanjaka teo Ambohimanga, dia nisy fifanantonana teo amin’ny fanjakany sy ny fanjakan’Anjozorobe izay marihina fa tsy isan’ny fanjakana merina sy nanana an’Andriamiharamanjaka ho mpanjakany. Tamin'ireo zanany ampolony maro dia akaikin'ny fon'Andriambelomasina kokoa Andrianjafy zanany lahimatoa sy Ranavalonandriambelomasina zanany vavy matoa. Koa nomen'Andriambelomasina ho vadin’Andriamiharamanjaka i Ranavalonandriambelomasina mba hitandrovana ny fahalemana amin’ny fanjakana roa tonta ary hiantrehana ny ady amin’ny fanjakan’Imerinatsimo sy Ambohidratrimo. Vadikely anefa i Ranavalonandriambelomasina satria Andriamiharamanjaka efa nanana vadibe talohan’izany. Nanaraka sy nitoetra tamin’Andriamiharamanjaka vadiny tany Anjozorobe i Ranavalonandriambelomasina ary nitoe-jaza taminy. Rehefa akaiky ny andro hahaterahany dia nananainga Ranavalonandriambelomasina hiteraka amin’ny raiamandreniny eny Ambohimanga. Saingy teny andalana, raha mbola tsy tafavoaka ny fanjakan’Andriamiharamanjaka akory dia nihetsijaza Ranavalonandriambelomasina ary niteraka teo andalana. “Ikaloy” no niantsoana io toerana niterahany io ary Andrianampoinimerina ilay zaza naterany. Arak’izany, Andriamiharamanjaka mpanjakan’Anjozorobe no rain’Andrianampoinimerina. Manila zanak’Anjozorobe avy amin’ny rainy ary manila merina avy amin’ny reniny Andrianampoinimerina fa tsy merina madio akory. Marihina anefa fa Andriamiharamanjaka dia manila ihany koa satria isan'ireo razambeny sy razan'andriana nanjaka tamin'ny faritr'Anjozorobe dia ireo Andriamamilaza sy Andriandoriamanjaka izay samy niainga avy eo Ambohidrabiby ary taranaky Rabiby no niverina nankany Anjozorobe.
 
Manodidina ny taona 1720 – 1730 ny taona nahaterahan’Andrianampoinimerina satria Mayeur, frantsay nivahiny tao amin’ny fanjakan’Andratsay ny taona 1777, dia nirakitra tamin’ny diariny ny filazan’ny olona nohadihadiany fa Andrianampoinimerina mpanjakan’Ambohimanga dia antidahy. Raha apetraka ary fa efa antidahy Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777 nanoratan’i Mayeur dia efa mahatratra 50 taona farafahakeliny i Andrianampoinimerina tamin’ny taona 1777. Vava Alahamady amin’ny volana Alahamady kosa no voalazan’ny lovantsofina fa andro nahaterahany.
Andalana faha-11:
Tsy azo sary Andrianampoinimerina satria norarany tsy hiakatra an’Imerina ny vahiny. Anefa, ny lovantsofina dia mitazona fa lehilahy fohy fa tsy lava i Andrianampoinimerina. Araka ny filazan’ireo mpitazona tantara momba ny fandrian’Andrianampoinimerina ao amin’ny lapany atao hoe “Mahandrihono” ao amin’ny rovan’Ambohimanga dia sahabo ho 1,45 cm ny halavan’Andrianampoinimerina. Ary farany, Mayeur dia nanoratra tamin’ny taona 1777 tao amin’ny diariny fa araka ny notanterina taminy dia fohy Andrianampoinimerina mpanjakan’Ambohimanga.
 
Momba ny fihodirany dia tsisy sary ahafahana mamantatra izany. “Ilahifotsy” anefa no niantsoan’Andriambelomasinaniantsoan’[[Andriambelomasina]] raibeny azy. Midika izany fa fotsy fihodirana na mazava hoditra Andrianampoinimerina. Mbola ny hafan-draibeny manao hoe “Ilahifotsy avy amin’alahamaditany no tompon’ny farany” no nentiny nandresy lahatra ny vahoakan’Ambohimanga raha naka ny fanjakana tao Ambohimanga Andrianampoinimerina satria mantsy mitovy volonkoditra sy fiaviana amin’ny voalazan’Andriambelomasina izy (fa raha tsy fotsy izy no tsy avy amin’ny alahamaditany dia ho mpisandoka fotsiny ihany). Manarak’izany, Radama I zanaka naterak’Andrianampoinimerina dia olona fotsy fihodirana na mazava fihodirana, malama volo, maranitrorona fa tsy mangamanga sy ngita volo, no tsy manana endrika “afrikana”. Inoana arak’izany fa tsy mifanalavitra loatra amin’ny endriky Radama I Andrianampoinimerina rainy. Ary farany, nisy sary vita hosodoko momba an’Andrianampoinimerina, sary izay mampiseho fa olona fotsy na mazava fihodirana, maranitrorona ary lavalava endrika izy. Misy moa ny milaza fa tsy tena endrik’Andrianampoinimerina no hita amin’ilay hosidoko. Ny tsy azo lavina anefa dia hatramin’ny nahavitan’izany sary hosodoko izany dia maro ireo taranak’Andrianampoinimerina no nitazona dika mitovy amin’izany, eny hatrany anaty rovan’Antananarivo sy Ambohimanga ary amin’ny rova maro amin’ny vohitra 12. Midika izany fa saika noeken’ny maro ho manakaiky tanteraka ny endrik’Andrianampoinimerina iny sary hosodoko mahakasika azy iny.
 
== NY NITAZAINA AZY ==
Andalana faha-68:
== NY ZAVABITANY ==
 
Tsisy nahavita izay vitan’Andrianampoinimerina tamin’ny mpanjaka rehetra teto Madagasikara talohany. Izy no nampanaiky ny fanjakana maro nanodidina an’Ambohimanga sy [[Imerina]]. Matsilo saina izy satria tsy mba nahita ranomasina izy satria nonina taty anivontany nefa dia fantany fa Nosy i Madagasikara ary tokony ho fanjakana tokana fa tsy mizarazara. Izy no Rain’ny fampivondronana ho fanjakana tokana an’i Madagasikara.
 
== NY NIAFARANY ==
 
Raha nitaratra tamin’ny loharano teroa [[Ankatso]] izy dia hitany fa efa atomotra ny fodiamandriny ka nanafatra izy fa eny Ambohimanga no hafenina izy noho io vohitra io iafenan'ireo lafinkavany akaiky azy.Fa ireo andriana miafina tamin'ny fitomiandalana teo androvan'Antananarivo dia misy razany ny sasany saingy lavitra kokoa. Tratra antitra Andrianampoinimerina ka ny taona 1810 izy no niamboho ary nafenina teo atsimon’Andriambelomasina raibeny ao androvan’Ambohimanga. Tato aoriana anefa, raha vao voazanaka i Madagasikara dia tsapan’ny mpitondra frantsay fa mbola maro ireo Malagasy nino ny hasin’ny razan’andriana koa nafindran’ny Frantsay ho ao androvan’Antananarivo ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Ny taona 2008, tamin’ny fitondran’Andriamatoa Marc Ravalomanana no tafaverina ao amin’ny rovan’Ambohimanga ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Niteraka resabe anefa izany famindrana izany satria tao ny tsy nankasitraka noho io famindrana io natao mangingina, raha niteraka fankasitrahana kosa hoan'ny hafa izay nihevitra fa voavaha ny famonjàna ara-tantara ny firenena malagasy nataon'ny mpanjanatany.