Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-23:
== NY NAHAZOAN’ANDRIANAMPOINIMERINA NY FANJAKANA SY NY NANITARANY IZANY ==
 
Tsiahivina ny hafatr’Andriambelomasina fa aoriany dia Andrianjafy no manjaka ary aorian’Andrianjafy kosa dia Ilahifotsy avy amin’Alahamadintany zafikeliny no hanjaka. Nankato tanteraka ny hafa-drainy Andrianjafy fony izy nihevitra fa momba izy, koa nankininy tamin’ireo loholona teo Ambohimanga ny fitaizana an’Andrianampoinimerina nandrandrainy handimby azy rahatrizay. Tato aoriana anefa dia niteraka an-dRalaitokana i Andrianjafy ka novoriny ny vahoaka ary nilazany fa Ralaitokana no hanjaka aoriany. Tezitra tamin’Andrianjafy ireo loholon’Ambohimanga izay efa nifankahazo ampo tamin’Andrianampoinimerina. Nohararaotin’ireo loholona ireo ny tsy nahateo Ambohimanga an’Andrianjafy hanandratany ho mpanjaka an’Andrianampoinimerina sy hakana ny fon’Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy. Koa nandefa iraka teroa Ambohidrabiby Andrianampoinimerina hampanaikyhandresy lahatra an'Ambohidrabiby sy ny vohitra miarakamanodidina hiandany aminy sy haka lamba jaky amintenomin'Andriandoriamanjaka hotafiany amin'ny fanandratana azy ho mpanjaka.NanaikyTsy nanaiky Ambohidrabiby rehefaraha tsy natao Menabe sy tsy alaimbodihena. Nampitondrainkoa noeken'ireoAndrianampoinimerina izany. Ny Andriandoriamanjaka kosa nampitondra lamba jaky ireo irak'Andrianampoinimerina mba hatafy ity farany ho mariky ny maha mpanjaka azy. Vao tafiditra teo Ambohimanga ireo iraka dia nasain’ny loholon’Ambohimanga nohidiana ny vavahadin’Ambohimanga ary natafin’izy ireo an’Andrianampoinimerina ny jaky noentin’ireo iraka sady napetran’izy ireo miaraka amin’ny mpanotrona maro teo Ambatomiatendro Andrianampoinimerina ary natao fararano ny fanapoahana basy sy dobok’aponga sy sodina. Teny andalana hody ho any Ambohimanga Andrianjafy no nilazana fa efa natsangan’Ambohimanga ho mpanjaka Andrianampoinimerina. Tsy nino izany izy fa niroso hatrany ny diany ka afaka an’Ambohitrandriamanjaka izy no nahatazana an’Andrianampoinimerina eroa Ambatomiatendro miavaka amin’ny jaky tinafiny izay mbola mazava loko tsara satria vaovao ka fantatr’Andrianjafy fa efa lasan’Andrianampoinimerina Ambohimanga ary Ambohidrabiby koa. Hany hery, nitodidoha nankeny amin’ny lafinkavany eny Ilafy Andrianjafy no nanozona an’Ambohimanga.
Arak’izany, tamin’Ambohimanga sy ny manodidina no nanjaka Andrianampoinimerina. Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy moa dia nanaiky niandany taminy rehefa nataony tsy alaimbodihena sy menabe. Ilafy sy Andrianjafy kosa mbola nanohatra azy ka niadiany ka resiny. Natambany ho tokon’Avaradrano, zokin’Imerina 6 toko ireo. Tsy fantatra marina ny taona nanombohan’Andrianampoinimerina nanjaka tao Ambohimanga fa efa talohan’ny taona 1777 nivahinianan’i Mayeur tao Andratsay izany ka hatramin’ny taona 1787.