Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-71:
NY NIAFARANY:
 
Raha sendra nitaratra tamin’ny loharano teroa Ankatso izy dia hitany fa efa akaiky ny fodiamandriny ka nanafatra fa eny Ambohimanga izy no hafenina satria eny ny lafinkavany akaiky azy no miafina.Fa ireo andriana miafina tamin'ny fitomiandalana teo androvan'Antananarivo dia misy razany ny sasany saingy lavitra kokoa. Tratra antitra Andrianampoinimerina ka ny taona 1810 izy no niamboho ary nafenina teo atsimon’Andriambelomasina raibeny ao androvan’Ambohimanga. Tato aoriana anefa, raha vao voazanaka i Madagasikara dia tsapan’ny mpitondra frantsay fa mbola maro ireo Malagasy nino ny hasin’ny razan’andriana koa nafindran’ny Frantsay ho ao androvan’Antananarivo ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Ny taona 2008, tamin’ny fitondran’Andriamatoa Marc Ravalomanana no tafaverina ao amin’ny rovan’Ambohimanga ny taolambalon’Andrianampoinimerina mba ho fanantanterahana indray ny hafatr’Andrianampoinimerina. syNiteraka famahanaresabe anefa izany famindrana satria tao ny tsy nankasitra izany satria nangingina ny famindrana, raha niteraka fankasitrahana kosa hoan'ny hafa izay nihevitra fa voavaha ny famonjàna ara-tantara nofatoran’nyny firenena malagasy nataon'ny mpanjanakampanjanatany.