Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-66:
 
NY ZAVABITANY:
 
Tsisy nahavita izay vitan’Andrianampoinimerina tamin’ny mpanjaka rehetra teto Madagasikara talohany. Izy no nampanaiky ny fanjakana maro nanodidina an’Ambohimanga sy Imerina. Matsilo saina izy satria tsy mba nahita ranomasina izy satria nonina taty anivontany nefa dia fantany fa Nosy i Madagasikara ary tokony ho fanjakana tokana fa tsy mizarazara. Izy no Rain’ny fampivondronana ho fanjakana tokana an’i Madagasikara.
 
NY NIAFARANY:
 
Raha sendra nitaratra tamin’ny loharano teroa Ankatso izy dia hitany fa efa akaiky ny fodiamandriny ka nanafatra fa eny Ambohimanga izy no hafenina satria eny ny lafinkavany akaiky azy no miafina.Fa ireo andriana miafina tamin'ny fitomiandalana teo androvan'Antananarivo dia misy razany ny sasany saingy lavitra kokoa. Tratra antitra Andrianampoinimerina ka ny taona 1810 izy no niamboho ary nafenina teo atsimon’Andriambelomasina raibeny ao androvan’Ambohimanga. Tato aoriana anefa, raha vao voazanaka i Madagasikara dia tsapan’ny mpitondra frantsay fa mbola maro ireo Malagasy nino ny hasin’ny razan’andriana koa nafindran’ny Frantsay ho ao androvan’Antananarivo ny taolambalon’Andrianampoinimerina. Ny taona 2008, tamin’ny fitondran’Andriamatoa Marc Ravalomanana no tafaverina ao amin’ny rovan’Ambohimanga ny taolambalon’Andrianampoinimerina mba ho fanantanterahana indray ny hafatr’Andrianampoinimerina sy famahana ny tantara nofatoran’ny mpanjanaka.