Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-24:
NY NAHAZOAN’ANDRIANAMPOINIMERINA NY FANJAKANA SY NY NANITARANY IZANY:
 
Tsiahivina ny hafatr’Andriambelomasina fa aoriany dia Andrianjafy no manjaka ary aorian’Andrianjafy kosa dia Ilahifotsy avy amin’Alahamadintany zafikeliny no hanjaka. Nankato tanteraka ny hafa-drainy Andrianjafy fony izy nihevitra fa momba izy, koa nankininy tamin’ireo loholona teo Ambohimanga ny fitaizana an’Andrianampoinimerina nandrandrainy handimby azy rahatrizay. Tato aoriana anefa dia niteraka an-dRalaitokana i Andrianjafy ka novoriny ny vahoaka ary nilazany fa Ralaitokana no hanjaka aoriany. Tezitra tamin’Andrianjafy ireo loholon’Ambohimanga izay efa nifankahazo ampo tamin’Andrianampoinimerina. Nohararaotin’ireo loholona ireo ny tsy nahateo Ambohimanga an’Andrianjafy hanandratany ho mpanjaka an’Andrianampoinimerina sy hakana ny fon’Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy hiandany amin’Andrianampoinimerina. Koa nandefa iraka teroa Ambohidrabiby Andrianampoinimerina ka nampitondrain’Ambohidrabiby an’ireo iraka ny valinteny manaiky ny fiandaniany amin’Andrianampoinimerina miaraka amin’ny lamba jaky notenomin’Andriandoriamanjaka teo Ambohidrabiby mba hatafy an’Andrianampoinimerina. Vao tafiditra teo Ambohimanga ireo iraka dia nasain’ny loholon’Ambohimanga nohidiana ny vavahadin’Ambohimanga ary natafin’izy ireo an’Andrianampoinimerina ny jaky noentin’ireo iraka sady napetran’izy ireo miaraka amin’ny mpanotrona maro teo Ambatomiatendro Andrianampoinimerina ary natao fararano ny fanapoahana basy sy dobok’aponga sy sodina. Teny andalana hody ho any Ambohimanga Andrianjafy no nilazana fa efa natsangan’Ambohimanga ho mpanjaka Andrianampoinimerina. Tsy nino izany izy fa niroso hatrany ny diany ka afaka an’Ambohitrandriamanjaka izy no nahatazana an’Andrianampoinimerina eroa Ambatomiatendro miavaka amin’ny jaky tinafiny izay mbola mazava loko tsara satria vaovao ka fantatr’Andrianjafy fa efa lasan’Andrianampoinimerina Ambohimanga ary Ambohidrabiby koa. Hany hery, nitodidoha nankeny amin’ny lafinkavany eny Ilafy Andrianjafy no nanozona an’Ambohimanga.
Arak’izany, tamin’Ambohimanga sy ny manodidina no nanjaka Andrianampoinimerina. Ambohidrabiby sy ny vohitra miaraka aminy moa dia nanaiky niandany taminy rehefa nataony tsy alaimbodihena sy menabe. Ilafy sy Andrianjafy kosa mbola nanohatra azy ka niadiany ka resiny. Natambany ho tokon’Avaradrano, zokin’Imerina 6 toko ireo. Tsy fantatra marina ny taona nanombohan’Andrianampoinimerina nanjaka tao Ambohimanga fa efa talohan’ny taona 1777 nivahinianan’i Mayeur tao Andratsay izany ka hatramin’ny taona 1787.
Andalana faha-33:
Rehefa izany dia nitarin’Andrianampoinimerina miakandrefana ny fanjakany ka nanoa azy ny fanjakan’Imamo, izay nataony isan’ny tokon’Ambodirano. Nanoa koa ny fanjakan’ny Vonizongo ka nataony toko iray dia Vonizongo.
 
Rehefa izany dia nitariny nianatsimo ny fanjakany ka nanoa azy mora foana Andriamanalinibetsileo mpajakan’Andratsay. Dia nitariny nianatsimo amin’ny Betsileo ny fanjakany ka Radama (I) vao 20 taona monja no nasainy nitaritafika ka resy Rivoekembahoaka mpanjakan’ny Fisakana sy Andrinaompanalina mpanjakan’Ambositra Sahasomangana; nanoa azy Andrianantara mpanjakan’ny Manandriana sy Andriamanalina III mpanjakan’Isandra sy Raonimpanarivotomponony mpanjakan’ny Lalazana sy Andriambavizanaka mpanjakan’i Lalangina sy Rarivoarindrano mpanjakan’Arindrano.Natambany ho tokon’ny Vakinankaratra ireo fanjakan’Andratsay sy Betsileo. Mbola navelany hitondra ny titre mpanjaka anefa ireo mpanjaka nanoa fa Radama I no nilaza tany Fianarantsoa fa tsisy mpanjaka intsony amin’ny fanjakany eto Madagasikara afatsy izy ihany fa zanak’andriana no titra isaloran’ireo mpanjaka nanoa azy.Nandritra izany, ny fanjakan’Anjozorobe dia efa ireo zanaky ny vadiben’Andriamiharamanjaka no nanjaka tao ary izy ireo tsy nety nanoa an’Andrianampoinimerina koa notafihan’ito farany izy ireo ka lasany ny ampahany amin’ny faritry ny fanjakan’Anjozorobe ka nataony ho isan’Avaradrano. Tsy fantatra mazava anefa ny sisitany amin’ny fanjakany sy ny fanjakan’Anjozorobe fa dia namporisihiny ny vahoakany hianavaratra mihoatra an’iny reniranon'ny Mananara araka izay tratra.
Arak’izany, niainga tamin’ny faritra kely indrindra Andrianampoinimerina ka tonga lehibe indrindra ny fanjakany, ary izy no mpanjaka voalohany nahatafaray ny fanjakana merina hatramin’ny andro nizaran’Andriamasinavalona izany ho fanjakana 4. Nataony 6 toko i Imerina.