Andrianampoinimerina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-51:
Noheverin’Andrianampoinimerina fa hametsifetsy ny vahoakany sy hanangona ny harena eto an-toerana fotsiny no ahatongavan’ireo vahiny (arabo, eropeana, indiana, sinoa, afrikana)ka noferan’Andrianampoinimerina fa hatreo Ambatomanga sy Betafo ary Maevatanana no azon’ireo vahiny hiakarana sy tsidihana raha avy any amorontsiraka sy avy any atsimo hoany ankibon'Imerina izy ireo. Ny Malagasy kosa dia ny Sakalava, Betsileo, Betsimisaraka sy ireo foko hafa mponina amin’ny Nosy dia navelan’Andrianampoinimerina hiakatra an’Imerina satria noheveriny fa ny lafivalon’ny Nosy no fanjakany ka vahoakany no niheverany azy ireo na dia hafa foko aza. Fantatr’Andrianampoinimerina koa fa hamotika ny vahoaka ny toaka sy fomban’ny vahiny koa nofehezin’Andrianampoinimerina tamin’ny sainy ny vahoakany ka novoriany ny vahoaka ary nalainy ny omby velona nampibobohany toaka ary nasainy norasainy ka indreo ny atin’ny omby masaky ny toaka ka niaiky ny vahoaka fa ratsy ny fomba vahiny.
 
Olon’ny fisokafana : Voalohany, amin’ny lafiny firazanana dia maro ireo hova sy olona avy amin’ny fanjakan’Anjozorobe, Imamo, Vonizongo, Andratsay, Betsileo, Sakalava, Antemoro, sns izay nankasitrahany no nataon’Andrianampoinimerina ho isan’ny zanadralambo, Andriandranando, Andrianamboninolona, Andriamasinavalona ary zazamarolahy. Niteraka fahatezerana teo amin’ny andriana merina madio izany saingy gadra lava no sazy miandry ireo andriana merina madio ireo raha nanohitra izany ka tsisy sahy nivolana imaso. Nipetraka ho tarazo tamin’ireo mpanjaka nandimby azy izany fisokafana izany, ka Radama I dia nanana vady sakalava, Ranavalona I dia niteraka tamin’Andriamihaja hova, Ranavalona I dia nanangana zaza avy amin’ny fanjakan’Andratsay ary Ranavalona II sy III ary Rasoherina dia vadin’ny praiministra izay hova. Faharoa, teo amin’ny raharaham-panjakana koa dia nanao fisokafana tamin’ny foko hafa sy ny hova merina izy ka saika ireo olona avy amin’ny foko hafa sy hova merina no nanodidina azy tao androvan’Ambohimanga Ohatra, Ratendro sy Rabefiraisana taranak’andriana avy any Imamo no lehiben’ny mpanandrony sy mpanolontsainy. Nodidiany ary fa izay hanjaka handimby azy dia tsy maintsy miditra ao amin’ny tranon-dRabefiraisana eo Ambohimanga aloha. Hagamainty sy Hagafotsy hova eo Ambohimanga koa no isan’ny mpanolotsainy. Ary rehefa notanterina taminy fa ny mpanjakan’Andratsay sy ireo mpanjakan’ny Betsileo tao atsimon’ny fanjakany dia nampiasa Anakara dia nampiakatra Anakara avy any Vohipeno izy ho ombiasiny sy hampianatra sorabe ireo zanany ka ireo Anakara ireo dia to teny taminy. Fahatelo, teo amin’ny fanambadiana koa dia nanohy ny fisokafana efa nataon’Andriambelomasina raibeny izy satria ireo zanany tamin’ireo andriambavy merina ampolony maro dia nampanambadiany zanakandriana tamin’ny foko hafa manodidina an’Imerina. Inoana fa ilay maha manila merina-Anjozorobe azy no nahatonga an’Andrianampoinimerina tsy nanana olana amin’ny fisokafana sy fifandraisana amin’ny foko sy firazanana hafa.
 
Olon’ny toekarena: “Izaho tsy manampahavalo afa-tsy ny mosary” hoy Andrianampoinimerina. Noezahiny ho mandry ny tany ary notolorany angady ny isandahy ka nasainy namboly ny olona. Rehefa izany dia nasiany tsena iray isakerinandro sy isambohitra izy ka nitobaka ny vokatra, resy ny mosary ary voky ny vahoaka. Satria vory maro ny olona isaiky ny tsena koa nataony andro sy toerana nampitaina ny hafany ny andro tsena ary kabary no anaovan’ireo irak’andriana izany.
 
Olon’ny fahamarinana: “Ny fanjakana tsy ananako havana”, hoy izy ka rehefa vandana dia kary. Tsy tiany ny kolikoly sy ny tsy marina. Tsy nanavahany io fa na dia ireo vady amanjanany sy iray tampo aminy aza dia maro no nokendaina sy natao sesitany raha nikasa ny hiakadapa na hanohitra azy.
 
Ligne 60 ⟶ 61 :
Olona tia tsidibohitra sy mamangy havana: Tsy mba mahatafatoetra ao androva Andrianampoinimerina fa dia mitsidika ny tanàna sy vohitra sy lohasaha sy fatsakana maro amin’ny fanjakany, tsy mba ho fialamboly fa fitiavana mifanerasera mivantana amin’ny vahoakany ahalalany ny olana sy vokatra ary ny tantarambohitra ka maro ireo vatolahy sy anarantanàna ary loharano saika nifamatotra tamin’ny nandalovany.
Olon’ny tontolo iainana: Izy no mpanjaka voalohany taty Imerina namoaka didy fa tsy azo ripahina ny ala amin’ny tanin’andriamanjaka rehetra indrindra ny manodidina ny vohitr’Ambohimanga. Anefa ny hazo nianjera sy maina amin'ny tanin'ny mpanjaka dia azon’ny mananontena alaina atao kitay. Notsinjovany koa ny biby maro ka ny goaika teo Ambohimanga dia tsy noekeny ny famonoana izany ary namonoany omby isankerinandro.
 
Olona tia rà: Nahagaga tokoa fa tamin’ireo fanjakana fahavalony dia ny fo no nentin’Andrianampoinimerina nampanaiky azy ireny ka raha nanda izany ireo foko ireo dia notafihiny ka tsy navelany raha tsy resiny sy voababony. Fa ny amin’ireo vady amanjanany kosa dia tsy mba namindrany fo fa dia novonoiny tsisy antra na nataony sesitany lavareny raha noheveriny fa namadika azy.