Oniversite: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-9:
 
=== Taonjato faha 11 : Fahaterahan'ny oniversite eoropeanina ===
[[Sary:Laurentius de Voltolina 001.jpg|Kilasy anaty oniversite tamin'ny 1350|200px|thumb|right]]
 
Ny Eoropa, tany Bologne (Italia) ny oniversite eoropeanina voalohany indrindra. Tontalin'ny fahaizana araky lalàna tamin'izany fotoana izany fotsiny no ampianariny. Tamin'ny 1150, ny mpianatra avy amina fikambanana maro samihafa ny ila ankavian'i Paris dia nakambana ao amin'ny Oniversiten'i Paris (''Université de Paris'').
Ny mpanatra anglisy noroahana tao Paris tamin'ny 1166 dia namorona ny Oniversiten'i Oxford. Namorona ny fampianarana medecine ny Papa Ray Masina tany Montpellier. Tamin'ny taonjato faha 13, ny taranja ampianarina dia atao manodidin'ny « faculté efatra » : taozavatra, siansa, lalàna sy teôlôjia. Tamin'izany fotoana izany ny onivesite dia mandray anjara amin'ny fampivoarana ny fahaizana, mikasika akaiky ny eglizy katôlika
 
Anatin'izany tontolo izany, tsy mahagaga raha mahazo ny anjaran'ny liona ny teôlôjia sy ny zo fahamasinana. Tonga avy any lavitra ny mpianatra mba hianatra amin'ny oniversite. Tsy ianarana ny « taozavatra mekanika » sy ny « siansa ny vola », tra-boin'ny tsi-fitiavana ny asa tanana sy ny tombo ara-bola asehon'ny hova sy ny fiangonana tamin'izany fotoana izany. Mifototra amin'ny lahatsoratra lazaina hoe "de réference". Ao amin'ny famakiana (''lectio'') sy fandinihana (''disputatio'') ny pedagôjia, karazana adihevitra mifanohitra mifototra amin'ny ankapobeny eo amin'ny fizohian-kevitra. Manana fitehirizam-boky haingana ny oniversite mba hameno ny havitsy ny boky azo vakiana.
 
=== Taonjato faha 15-18 ===
=== Ny oniversite tamin'ny taonjato faha 19 ===