Haikintana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Omega Nebula.jpg|400px|thumb|Ny Rahoan'kitana ''Omega'']]
Ny '''hainkintana''' dia siansa natoralyvoajanahary mikasika an’ny fandinihana ny kintana, izay mitady ny hamaritra ny fihaviany, ny fivoarany ary ny tondrony ara-pizika ary aza-tsimika. Fito arivo taona lasa izay ny taranjan’ny hainkintana no fantatry ny olombelona ; amin’ny alalan’ny tao ara-pinoana ny taona nialohan’ny tantara, ka noho izany dia anisan’ny taranja siantifika antitra indrindra.
 
Ireo mpahainkintan'ny taona taloha izay namela antsika lova ara-materialy dia ny Ejipsianina, ny Nobianina (mponina mipetraka ao atsimon'i Ejipta) ary i Stonehenge, any Fanjakana Mitambatra. Nananan fomba fandinihana ny lanitra maizina ireo sivilizasiôna taloha toy ny babilonianina, ny grika, ny sinoa, ny indianina, ny iranianina ary ny Maya. Na dia izany aza, nilaina ny famoronana ny masolavitra hahafahan'ny hainkintana mivoatra amin'ny siansa ankehitriny. Tamin'ny taloha, haindrefikintana (astrométrie), ny familiantsambo amin'ny alalan'ny kintana, ny hainkintana mandinika, ny fanaovana kalandrie ary ny fanandroana, ankehitriny anefa ny hainkintana arak'asa dia matetika ampiarahana amin'ny fizikan-kintana (na astrofizika).