Aostralia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-57:
 
'''Aostralia''', izay mitondra ihany koa ny anarana ''Commonwealth an'i Aostralia'' (amin'ny teny anglisy ''Commonwealth of Australia'') dia firnena ao min'ny ila-bolantany atsimo. Ao Oseania, i Aostralia dia ny firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra. Ao amin'ny Commonweakth an'i Aostralia dia ahitana an'i Tasmania ary nosy hafa maro ny ranomasimbe Aostrala, Pasifika ary Indianina. Ny firenena manodidona azy dia i Indonezia, Timor Atsinanana, ary Papoazia Ginea Vao any avaratra, i Nouvelle-Calédonie any avaratra atsinanana, Nouvelle-Zélande any atsimo atsinanana ary ny Tany frantsain'ny nosy Kerguelen any andrefan'ny nosy aostralianina Heard ary McDonald.
 
== Fiavian'ny anarana hoe ''Aostralia'' ==
Ny teny Aostralia dia avy amin'ny fiteny anglisy ''Australia'', izay avy amin'ny teny latina Australis ("Atsimo"). Tamin'ny taonjato faharoa, nihevitra ny siantifika latina fa misy kaontinenta tsy fantatra eo amin'ny ilabolantany atsimo (izay manana anarana hoe ''Terra Australis Incognita'') mba tsy hisavilivilian'ny tany noho ny lanjan'ny kaontinenta ao amin'ny ilabolantany avatatra. Ny fampiasana voalohany ny teny ''Australia'' (fa tsy ''Terra Australis'' intsony) tamin'ny teny anglisy dia tamin'ny 1625 ("A note of Austrlia del Espiritu Sancto"), izay nosoratan'i Master Hakluyt, navoakan'i Samuel Purchas tao amin'i Hakluytus Posthumus<ref>Purchas, vol. iv, p. 1422–32, 1625.</ref>). Ny mpamaritra anarana nerlandey ''Australische'' dai nampiasaina tanaty lahatsoratra ofisialin'ny zanatany holandein'i Indonezia hamaritana ireo tany hita tao atsimon'i Indonezia tamin'ny 1638. Navadika teny frantsay ho ''Australie'' ilay teny ''Australia'' ary fampiasana azy voalohany tanaty boky dia tamin'ny taona 1676 tao amin'i ''La Terre Australe'', tantara noforonina mikasika olona noforonina, izay noforonin'i Gabriel de Foigny<ref> La Terre australe connue : 1676 / Gabriel de Foigny ; éd. établie, présentée et annotée par Pierre Ronzeaud. - Paris : Sté des textes français modernes, 1990. - XCVIII-242 p. ; 18 cm. ISBN 2-86503-191-8</ref>. Nampiasain'i Alexander Dalrymple ilay teny tao amin'ny boky ''An Historical Collection of Voyages and Discoveries in the South Pacific Ocean tamin'ny taona 1771 hanononana ireo tany hita tamin'ny faritra atsimon'ny Ranomasimbe Pasifika. Tamin'ny 1793, namoaka ny boky ''Zoology and Botany of New Holland'' i George Kearsley Shaw ary i Sir James Smith ary io no nosoratany : "Nosy be, na kaontinenta, an'i Aostralia, Aostralazia na Holandy Vao"<ref>the vast island, or rather continent, of Australia, Australasia or New Holland</ref>
 
== Tantara ==