Maily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:A87-Takelaka nosin'i Kyle.jpg|140px|Takelaka izay manoro ny tanàna ary ny halavirany amin'ny alalan'ny maily|thumb|ankavanana]]

Ny '''maily iraisam-pirenena''', antsoikaantsoina koa hoe '''maily''' (avy amin'ny teny anglisy ''mile'') dia halava iray izay mirefy 1 609,344 [[metatra|m]]. io refy io dia ampiasaina any Etazonia, any amin'ny Fanjakana Mitambatra ary any amin'ny firenena hafa maro ao amin'i Commonwealth. Anisan'ny refy imperialy ny maily.
 
Ny maily iraisam-pirenena dia samihafa amin'ny maily amerikanina. Ny maily amerikanina dia mirefy 1 609,347 metatra.
 
== Fihavian'ny anarana ==
 
Ny teny ''maily'' dia avy amin'ny fiteny anglisy taloha ''mīl'' izay avy amin'ny teny latina ''millia'' midika ''arivo''<ref name = OED>{{cite book
|title = [[The Concise Oxford Dictionary of English Etymology]]
|editor = T.F. Hoad
|year = 1996
|isbn = 0-19-2830988
|publisher = [[Oxford University Press]]
|location = Oxford}}</ref>. Ny teny anglisy ''mile'' dia avy amin'ny teny latina ''mille passuum'' (pasy arivo), anefa any amin'ny faritra hafa an'i Eoropa, ny teny ''mile'' (''meile'' amin'ny fiteny alemana, ''mijl'' amin'ny fiteny neerlandey''), dia avy amin'ny teny latian ''miliarium spatium'' (elanelana arivo)<ref>{{cite book
|url = http://www.zeno.org/Georges-1910/K/Georges-1910-01-1660
|title = Kleines deutsch-lateinisches Handwörterbuch
|trans_title = Small German-Latin Pocket Dictionary
|publisher = [[Hahnsche Buchhandlung]]
|location = Hannover and Leipzig
|language = [[German language|German]]
|year = 1910
|page = 1660
|editor = Karl Ernst Georges
|accessdate = May 26, 2011}}</ref>.
 
[[File:Wegmasse1.png|thumb|right|250px|Ireo maily sy ligy ara-tantara avy amina boky alemana tamin'ny 1848]]
 
== Maily romana ==
 
Ny romana dia ny voalohany indrindra ny mampiasa ny refy handrefesana ny halavana lehibe izay nantsoiny hoe ''mille passuum'' (ara-tsratra [[paisy]] arivo amin'ny fiteny latina. Ny maily romana dia mirefy paisy arivo na tongotra (feet) dimy arivo, izany hoe eo amin'ny 1 479 metatra eo ho eo. Io refy io, izay antsoina ankehitriny hoe ''[[Maily romana]] dia nihatra eraky ny Fanjakambe Romana, miampy fanovana madinika hiadiany amin'ny refy miasa eo amin'ny an-toerana.
 
== Maily ara-tantara tao amin'ny tontolo arabo ary Eoropa ==
 
* Ny refin'ny maily arabo dia nampaisain'ny jeografa mozilmana ary mirefy eo amin'ny 1 925 metatra eo ho eo.
* Ny maily danisy dia mirefy tongotra danisy 24 000 na 7 532 metatra. Tsindraindray atao ho fito faingo dimy kilometatra ny refiny ; izany hoe mitovy amin'ny ''Meile'' alemana.<ref name="Rowlett 2005. s.v. mil 4">Rowlett (2005). s.v. mil [4].</ref>
* Ny ''Meile'' alemana dia mirefy tongotra alemana efatra arivo sy roa alina ; izany hoe enina ambin'ny valopolo sy dimanjato sy fito arivo (7 586) metatra any Aotrisy na 7532 metatra any Alemaina avaratra. Misy koa ny antsoina hoe ''geographische Meile'' izay mirefy iray ampan'ny dimy ambin'ny folo (1/15) degren-daharam-pehintany.<ref>Rowlett (2005), s.v meile.</ref>
* Ny ''milha'' portogey dia refy nampaiasaina tany Portogaly ary Brazila talohan'ny fampiasana ny metatra. Ny halavany dia 2 087,3 metatra.<ref>Rowlett (2005). s.v. milha.</ref>
* Ny ''milja'' rosiana (''"русская миля"'') dia mirefy 7,468 km.
 
== Jereo koa ==
 
=== Tsiahy ===
{{ref}}
 
{{vangovango}}