Filipina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-49:
 
== Tantara ==
 
Nanomboka tamin’ny fahatongavan’ny olona tamin’ny alalan’ny tany ny tantaran’i Filipina. Ny eoropeana voalohany indrindra tonga tany Filipina dia i Fernand de Magellan tao amin’ny nosin’i Homonhon, any atsimo andrefan’i Samar, ny 16 Martsa 1521. Talohan’ny nahatongavan’i Magella, maro ireo Fanjakana nisy tao Filipina, ohatr’ilay Fanjakana Bodistan’i Butuan, ny fanjakan’i Tondo ary Maysapan, nanan-karena nanomboka tamin’ny taonjato fahafolo, na ny soltanà mozilmana an’i Sulu, Mainila, Magindanao ary Lanao. Nifandray tamin’i Sina, India, Japana, Tailandy, Vietnam ary Java ireo fanjakana ireo, fa tsy misy fanjakana tena nanam-pianjadiana manerana an’i Filipina.
 
Nanomboka tamin’ny taona 1565 ny tambanosin’i Filipina no zana-tany espaniola, tamin’ny nahatongavan’i Miguel Lopez de Legazpi, nanorina ny tanànan’i San Miguel izy teo amin’ny nosin’i Cebu. Tamin’io fotoana io no nanorenana ny tanànan’i Manila eo amin’ny nosin’i Luzon. Haharitra telonjato taona ny fanjanahan-tanin’ny espaniola ao Filipina. Nandritra izay fe-potoana nanjanahany an’i Filipina izay, dia nitondra zava-maro avy any Andrefana ny espaniola miaraka amin’ny haifomba tandrefana (krisianisma, fanontana, taratasy, kalandrie...). Tsy zanatany izay manokana i Filipina tamin’izany fotoana izany fa faritra iray ao amin’ny zana-tan’i Espaina Vao (Nueva España) manana ny tanànan’i Mexico ho renivohitra. Nafindra tany Madrid ny renivohitra taorian’ny fahaleovantenan’i Meksika nanomboka tamin’ny toana 1821. Nanjanaka an’i Filipina koa ny britanika tamin’ny 1762 ary 1764. Nandritra ny fanjanahantany espaniola, maro ireo tanàna voaorina ary naorina miaraka amin’izany koa ny foto-drafitr’asa. Namadika ireo tera-tany ho kristianina ireo misionera espaniola ary nanorina fianarana, oniversite ary hopitaly manerana ny tamba-nosy filipina.
 
Nanomboka tamin’ny volana Aprily ny taona 1896 ny tolom-piavotana filipina amin’i Espaina, ary nifarana roa taona tety aoriana tamin’ny fanambarana ny fahaleovantena ary ny Repoblikan’i Filipina Voalohany. Anefa ny fifaneken’i Paris nosoniavina tamin’ny 1898 namarana ny ady filipina espaniola, dia nanome an’i Etazonia ny fahefan’i Filipina. Tsy neken’i filipina izay fifanekena izay ary nanambara ny hiady amin’i Etazonia i Filipina tamin’ny 2 Jiona 1899. Ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany Emilio Aguinaldo, dia voasambotry ny Amerikana tamin’ny 1901 ary nifarana herintaona taoriana ny ady. Niaiky ny fandresen’ny amerikana ny manam-pahefana filipina, anefa mitohy hatramin’ny taona 1935 ny ady. Tena nanomboka tamin’ny 1905 ny fitondran’i amerikana an’i Filipina. Nanomboka naitatra ny fizakan-tena an’i Filipina tamin’ny 1935 mba hitondra any amin’ny fahaleovantena natao ho amin’ny 1946. Voatery najanona ilay fizakan-tenan’i Filipina noho ny Ady lehibe Faharoa. Rehefa tapitra ny ady lehibe faharoa dia nahaleotena i Filipina.
 
== Jeografia ==