Magreba: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k fanagasiana ny baiko ao anaty sary (left lasa ankavia, right lasa ankavanana)
k fanitsiana
Andalana faha-3:
[[Sary:Marokko von Spanien-5.jpg|thumb|220px|ankavanana|Ny amorontsiraka Marokana avy eo Espaina]]
 
Ny '''Magreba''', na Maghreb (amin'ny teny arabo al-Maghrib, amin'ny teny berbera Tamazgha) dia [[faritany]] any Afrika Avaratra eo anelanelan'ny [[ranomasina Mediteranea]], ny Sahara ary ny [[ranomasimbe Atlantika]].
 
Ny mpanjanatany arabo voalohany tonga teo amin'io [[faritany]] io dia nanonona io [[faritany]] io ''Jazirat al-Maghrib''. Ankehitriny. Ny Magreba dia mivondrona ny Tonizia, ny Aljeria ary ny Maroka. Ankehitriny, mba tsy hifangaro, lazaina hoe Magreba kely ny na Magreba Anivo ny firenena telo mala ny saikanosy atlasianina any Afrika Avaratra. Ao amin'ny Magreba Be dia misy ny [[Maoritania]], ny [[Sahara Andrefana]] ary ny [[Libia]].
 
Ny velarantanin'ny Magreba dia 5 tapitrisa kilometatra efa-mira voazara eo anelanelan'ny dobo Mediteraneanina sy ny [[faritany]] Saharianina. Ny tanimatin'i Sahara dia maka ny ankabeazan'ny Magreba. Ny isam-ponina ao Magreba dia misy 73 tapitrisa mponina, eo amin'ny amorontsiraka, be latsakorana kokoa, ny ankabeazan'ireo 73 tapitrisa ireo. Betsaka ny harena an-kibon'ny tany toy ny [[fôsfaty]] sy vy ary ara-angôvy (etona sy [[solitany]]).
 
Ny Magreba dia mandritry ny arivo taona mahery vondrona ara-jeôgrafia, fa tsy ara-piteny (betsaka n fiteny ao : ny fiteny arabo sy berbera). Samihafa amin'ny sisan'ny tontolo arabo sy afrikanina izy noho ny fahasamihafana ny fiavian'ny mponiny ary noho izany, ny kolontsainy. Na dia mifanalavitra aza ny Maghreb sy ny Machrek, ny teny arabo sy maha-silamo no mamatotra ireo tontolo roa irao. Ny tantarany ankehitriny dia voakasiky ny fanjanatany frantsay, italianina, espaniola ary italianina. Ny Eoropa Andrefana koa manana fianjadiana eo amin'ny Magreba, ary mbola betsaka nohon'ny fianjadian' Eoropa any Atsinanan'i Mediteranea ny fianjadiany eo Magreba.