Fiteny volapoky: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k fanitsiana
Andalana faha-12:
== Tantara ==
 
Nahomby ny fiteny volapoky, ary tonga hatrany amin'ny iray hetsy teo ho eo ny isann'y olona mianatra ilay fiteny any Eoropa ary any Amerika. Tany Aotrisy izy aloha no nanomboka niparitaka, satria tany no namorona ny orinasa hanaparitaka azy manerana izao tontoloi zao. Tonga niparitaka tany Nederlandy ilay fiteny tamin'ny 1884 ary tany Belzika. I Auguste Kerchkhoffs, mpampianatra any amin'ny école des hautes études commerciales (HEC) any Paris, dia nanaparitaka ny fiteny volapoky tany [[Frantsa]] tamin'ny alalan'ny famoahany ; taona vitsivitsy taoriana no namorona ny Fikambanam-pirenena ho an'ny fanaparitahana ny fiteny volapoky.
 
Nandray anjara amin'ny fanaparitahana ny fiteny volapoky tao amin'ireo firenena latina (Espaina, Italia, Portogaly) koa ny famoahana nataon'i Auguste Kerchkhoffs. Ary tamin'ny 1885 sy 1886 nanombona niparitaka tany Eoropa Avaratra sy Eoropa Atsinanana ny fiteny volapoky. Ary tamin'ny 1888, nanolotra ny fiteny volapoky an'ny tontolo miteny anglisy ny boky fianarana iray noprintiana tamin'ny taona 1888.