Fiteny soedoà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Xqbot (dinika | fandraisan'anjara)
k Rôbô Nanampy: hif:Swedish bhasa
k fanitsiana
Andalana faha-5:
Ny fiteny soedoa dia fiteny mitovitovy endrika amin'ny fiteny norvejiana sy ny fiteny Danoa, ary mety mifankahazo ny olona miteny iraika amin'ireo teny telo ireo. Ny anton'ny fifankahazoana ny mpiteny soedoa, danoa sy norvejiana dia zareo avy amin'ny [[fiteny norsa taloha]], fiteny tenenin'ny foko jermanika tany [[Skandinavia]] nandritry ny fitaona ny [[Viking]].
 
Ny fiteny soedoa tsotra, tenenin'ny ankabeazan'ny olom-pirenena soedoa, dia tenim-pirenena avy amin'ny fiteny soedoa maromaro notenenina teo amin'ny [[faritra]] afovoany tamin'ny taonjato faha 19 hatramin'ny fanombohan'ny taonjato faha roapolo. Ny fiteny soedoa soratana dia iray ihany, fa ny fiteny soedoa tenenina dia arakaraky ny [[faritra]] isiana. Ny fiteny sasantsasany dia mety samihafa be amin'ny fiteny soedoa tsotra na amin'ny lafin'ny fitsipi-pitenenana na amin'ny lafin'ny voambolana ampiasaina, ary mety tsy mifanitsy amin'ny fiteny soedoa tsotra izy. Ireo fiteny sarotra azo ireo dia voafetra amina velarana ny ambanivohitra ary vitsivitsy ihany ny isan'ny olona miteny azy. Ankehitriny ny ankabeazan'ny fitenim-paritra mitady ho very fa ampazoton'ny governemanta sy ny fahefana ny soedoa hiteny ny fitenim-paritra.
 
Ny rafitry ny fehezanteny dia Mpanao-Matoanteny-Fameno, fa mety ovaovaina izy arakaraky ny teny ampiasaina sy ny fehezanteny ; mitovitovy amin'ny teny anglisy ny endriky ny fiteny soedoa, fa betsabetsaka kokoa nohon'ny teny anglisy ny fiovan'ny teny. Misy karazan-teny roa, tsy misy fiovana ara-pitsipi-pitenenana, misy fiovan-teny arak'isa (nombre). Betsaka ny isan'ny zanapeo amin'ny fiteny soedoa ary mifanakaiky izy matetika.
Andalana faha-13:
== Tantara ==
 
Tamin'ny taonjato faha sivy, ny fiteny norsa taloha dia lasa nipoiran'ny fiteny norsa andrefana (Islandy, Norvezy) sy atsinanana (Soeda, Danmarka). Tamin'ny taonjato faha roa ambin'ny folo, niova ho lasa samihafa ny fiteny norsa notenenina any Danmarka sy any Soeda, ny anaran'ny teny tenenina amin'ireo [[faritra]] ireo dia fiteny danoa taloha ary fiteny soedoa taloha. Ny fiteny norsa rehetra isan-karazany dia voaanjadin'ny fiteny jermana ambany nandritry ny taonjato faha 13 hatramin'ny taonjato faha 16.
 
=== Ny fiteny norsa taloha ===