Antarktika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
k kaontinanta
k fanitsiana
Andalana faha-7:
Ny Antartika dia [[kaontinanta]] iray any atsimon'ny Tany manana velarantany 14 tapitrisa kilometatra efa-mira. Ny habeny dia mbola kely nohon'ny [[Azia]], ny [[Afrika]] na ny [[Amerika]] ; ny [[Eoropa]] sy ny [[Oseania]] ihany no kely noho izy. 98 isan-jaton'ny velarantaniny dia ranomandry manana hatevina 1 600 metatra, izay no tsy hahafantarana ny endriky ny ambanitaniny, fantatra fotsiny ankehitriny fa misy [[tohim-bohitra]] (chaine de montagne) sy farihy ambanin-dranomandry ohatry ny [[farihy Gamburtsev]].
 
Ny antarktika dia ilay kaontinanta mangatsiaka, maina ary be rivotra indrindra eto an-tany ; maina satria latsaky ny roanjato milimetatra ny latsak'orana eo amin'ny amorontsiraka (ary mbola latsak'izany ny latsak'orana any amin'ny [[faritra]] anaty).
 
Tsy manana mponina tera-tany ny Antartika ary ny mipetraka any amin'izao fotoana izao dia siantifika ny ankamaroany. Voninkazo mahazaka ny hatsiaka, ny aizaina ary ny hamaina ihany no miaina any miaraka amin'ny karazam-borona, trondro sy biby mampinono ihany no any.