Soratra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « Ny '''soratra''' dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana ... »
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 10 Jiona 2011 à 19:06

Ny soratra dia fomba fametrahana an-tsary ny volan'ny fiteny iray, amin'ny alalan'ny endri-tsoratra soratana na natao sary (eo amina taratasy, ohatra), hahafahana mifanakalo fampahalalana haingana kokoa ary tsy mila feo.

Manasaraka ny Fotoana Nialohan'ny Tantara sy ny Tantara ny taona namoronana ny soratra.

Ny endri-tsoratra voalohany indrindra fantatra amin'izao tontolo izao diaendri-tsoratra hieroglifila hita tany Abydos (400 km mial al ao Le Caire) eo amina vilany tany hita tanaty fasam-panjaka taloha. tamin'ny taona -3400 ireo soratra ireo no nosoratana. Taona maromaro taty aoriana, mipoita ny soratra miendrika fantsika (cunéiforme) an'ny Fanjakambe Someriana, tamin'ny taona -3300 teo ho eo.

Tantaran'ny soratra

Efa mahery ny dimy arivo taona izay ny soratra no ampiasain'ny olomeblona, samihafa avokoa ny endriny araka ny toerana nipoirany, ireo haifomba izay mahay mamboly efa hatry ny ela ary izay efa mipetraka anaty taràna no nanomboka namorona ny soratra : tany Ejipta nanomboka tamin'ny -3400, tany Mezôpotamia tamin'ny -3300, tany Kipra tamin'ny -2200, tany Krity tamin'ny -1900, tany Sina tamin'ny -1400 ary tany Amerika afovoany tamin'ny -900. Ireo soratra ireo no loharanon'ny endri-tsoratra rehetra izay fantatra amin'izao fotoana izao.

Ireo no mety antony namoronana ny soratra :

Nilaina ny fifanekena rehefa mifanalavitra ny toerana isian'ny mpivarotra sy ny mpividy. Ilay fifanekena dia bola tany poakaty misy vatokely, manana endrika telo :

  • Bola
  • Kitsoloha
  • Silendira

Ampifanampiana ireo endrika telo ireo hanononana ny zavatra natakalo. Rehefa misy ts maneky, novakiana ilay bola maina nametrahana ilay sonia ary ampitahainany amin'ny isan'ny vatokely ny isan'ny entana voatitra.

 
Kalama anoratana eo amin'ilay taniditra

Noho ny fifanakalozana mihasarotra, mbola notazonina ihany ilay vatokely fa, mba hitadidiana ny fifanekena, nasiana sarisary eo amin'ilay bola poakaty mbola mando, mba hanoroana ny votoatin'ilay bola. Ampiasiana ny kalama, kibaikely hanoratana ireo endrika eo amin'ilay bola.

 
Fanoratana eo amina taratasy

Taona vitsivitsy taoriana, nivadika ho velarana taniditra tsotra izoa ilay bola, ary soratra fotsiny sisa no apetraka.

Endri-tsoratra

Jereo koa

Rohy ivelany

Boky

  • Calvet (Louis-Miruel), (1996), Histoire de l’écriture, Hachette (rééd. de 1998), ISBN 2-01-278887-4
  • James Février, Histoire de l’écriture, Payot.
  • Marcel Cohen et Jérôme Peignot, Histoire et Art de l’Écriture, Bouquins, Robert Laffont, ISBN 2-221-10225-8
  • "Histoire de l’écriture, de l’idéogramme au multimédia", Flammarion, 2001, traduction anglaise 2002, édition arabe Bibliotheca Alexandrina, 2005, 432 p. 400 ill.
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.