Fiteny volapoky: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Andalana faha-12:
== Tantara ==
 
Nahita fahombiazana hainganaNahomby ny fiteny volapukvolapoky, ary tonga hatrany amin'ny iray hetsy tsyteo latsakaho eo ny isanisann'nyy mpitenyolona volapukmianatra ilay fiteny any [[Eoropa]] syary any [[Amerika]]. Tany [[Aotrisy]] aloha izy aloha no nirarakananomboka niparitaka, satria tany no namoronananamorona ny orinasa fanaparitahanahanaparitaka nyazy fitenymanerana volapiokyizao tamin'nytontoloi 1882zao. Tamin'ny 1884,Tonga niparitaka tany HolandyNederlandy syilay fiteny tamin'ny 1884 ary tany Belzika izy. Tamin'ny 1885,I Auguste KerckhoffsKerchkhoffs, mpampianatra any amin'ny [[Hautesécole Etudesdes Commerciales]]hautes études commerciales (HEC) any [[Paris]], dia nanaparitaka azyny taofiteny volapoky tany [[Frantsa]] amintamin'ny alalan'ny kaonferansanyfamoahany sy; nytaona famoahany,vitsivitsy nanosikataoriana nyno famoronananamorona fikambanamny Fikambanam-pirenena ho an'ny fandrarahanafanaparitahana ny fiteny volapiokyvolapoky.
 
Nandray anjara amin'ny fanaparitahana ny fiteny volapoky tao amin'ireo firenena latina (Espaina, Italia, Portogaly) koa ny famoahana nataon'i Auguste Kerchkhoffs. Ary tamin'ny 1885 sy 1886 nanombona niparitaka tany Eoropa Avaratra sy Eoropa Atsinanana ny fiteny volapoky. Ary tamin'ny 1888, nanolotra ny fiteny volapoky an'ny tontolo miteny anglisy ny boky fianarana iray noprintiana tamin'ny taona 1888.
Nihabetsaka dia nihabetsaka ny olona naomboka nianatra teny volapoky tamin'io faran'ny taonjato faha 19 io, ary, tamin'ny 1889, eo amin'ny 283 eo ho eo ny isan'ny klioba volapoky, gazety 25 momban'ny fiteny volapoky, ary boky 316 amin'ny fiteny 25 momban'ny fiteny volapoky. Fa noho ny fandavan'i Schelyer hanova ny fitsipi-pitenenana sy ny voambolana, nihavitsy ny isan'ny olona nianatra ny fiteny volapoky. Ary amin'izao fotoana izao, eo amin'ny 20-30 eo ho eo sisa ny isan'ny olona mahay miteny volapoky. Ny vondrona Yahoo! ho an'ny fiteny volapoky izao dia misy eo amin'ny mpikambana roanjato eo ho eo.
 
Araka ny nambaran'i Auguste Kerchkhoffs, eo amin'ny iray alin sy roa hetsy eo ho eo no isan'ny olona efa nianatra ny fiteny volapoky. Indroa na intelon'ny tena isan'ny mpahay teny volapoky izany isa izany. Marina fa betsaka ny isan'ny mpanaraka. Any Vienne ohatra, nandritry ny ririnina (Des. 1886 - Mar.1887), 2 500 no isan'ny mpianatra. Ary tamin'ny 1887 manerana izao tontoloi izao, 138 no isan'ny fikambanana volapoky ary 25 no isan'ireo gazety sy gazetiboky 11 amin'ny fiteny volapoky. Tamin'ny 1889, lasa 283 ny isan'ny fikambanana ary 25 gazetiboky. 316 no isan'ny boky fianarna fiteny volapoky anaty fiteny dimy amin'ny roapolo.
 
Maro ireo kaongresan'ny fiteny volapoky (tany Friedrichshafen tamin'ny volana Aogositra 1884, ary tany Munich tamin'ny Aogositra 1887) fa inona no fiteny ampiasaina mandritra ireo fihaonana ireo ? Hoy ny mpampianatra any amin'ny Polytechnikum an'i Zürich R. Lorenz tamin'ny 1908 hoe nanomboka very fahombiazana ny fiteny volapoky tamin'ny fanandramana ny hampiasa ny fiteny volapoky amin'ny fihaonana isan-taona manomboka ny taona 1888. Tsy ho tratra ilay tanjona hoy izy noho ny hasarotan'ny fiteny volapoky. Anefa fikambanana telo no noforonina : fikambanana iraisam-pirenana (''Volapükaklub Valemik''), Akademinan'ny fiteny volapoky (Kadem Volapüka), ary gazety ofisialy (Volapükabled Zenodik). I Schleyer no mitondra ireo fikambanana ireo.
 
Narahan'ny ady anaty io fahombiazana io ary io no nampanjavona ilay fiteny. Satria, noho ny hasarotan'ny fitsipi-pitenenan'ny fiteny volapoky na dia hoe manara-dalàna foana aza : misy mpiteny te-hanamora ny fitsipi-pitenenana, ary ny voambolana, volana amin'ny fiteny eoropeana navadibadik'i Schleyer, dia sarotra ianarana. Ary i Grabowsky, nandinika ilay fiteny volapoky, dia nilaza amin'i Zamenhof : "Ratsy be ny fahaizan'ny tompony ny teniny. Tamin'izahay niara-niresaka, nila nampiasaina matetika ny raki-bolana ary tsy haiko ho iza tamin'izahay roa no nanokatra azy matetika"<ref>Tsiahy ao amin'i Maria Ziolkowska' et Isaj Dratwer, Le Docteur Esperanto, 1959.</ref>. Nisy ary betsaka ireo fangatahana ny hanamora ny fiteny volapoky, fa nitohina i Schleyer, ary nilaza izy fa azy irery io fiteny io ary noho izany dia izy irery no mahazo manova azy. Nanoboka nirava ny fiteny volapoky nanomboka teo : niteraka fiteny mifaninana ireo refôrma (Dil, Dilpok, Nuvo-Volapük, Balta, Spelin, Veltparl, Idiom Neutral), nanomboka teo verin'ny volapoky tsikelikely ireo mpiteny azy, maro tamin'ireo mpiteny volapoky taloha ireo no nianatra ny fiteny esperanto.
 
== Tsipelina ary fanononana ==