Christophe Colomb : Fahasamihafan'ny versiona roa

k
fanagasiana ny baiko ao anaty sary (left lasa ankavia, right lasa ankavanana)
k (kaontinanta)
k (fanagasiana ny baiko ao anaty sary (left lasa ankavia, right lasa ankavanana))
[[Sary:Ridolfo Ghirlandaio Columbus.jpg|225px|rightankavanana|thumb|Ny mety ho sarin'i Christophe Colomb]]
 
I '''Christophe Colomb''' (teraka anelanelan'ny [[25 Aogositra]] sy ny [[31 Oktobra]] 1451 tany [[Zena]] - Maty tamin'ny [[20 Mey]] 1506, tany [[Valladolid]], [[Espaina]]) dia olona voalohany indrindra tamin'ny Tantara niampita ny [[Ranomasimbe Atlantika]] amin'ny alalan'ny fahitana lalana vaovao mandeha-miverina anelanelan'ny kaontinanta [[Amerika]]na (noheveriny fa ny [[India]]) sy ny [[Eoropa]]<ref>{{fr}} Nanoratra i Pierre Chaunu : « Voyez le miracle Colomb. En moins de dix ans, les routes maritimes qui, trois siècles durant, assureront le meilleur des relations entre l'Europe et l'Amérique, sont à peu près définitivement fixées. » in Conquête et exploitation des nouveaux mondes, PUF, Nouvelle Clio, 1969, p. 267.</ref>. Nanao zotra efatra izy hoatry ny mpamily sambo, ary niasa ho an'ny [[Mpanjaka Katolika]] (''Reyes Católicos'', amin'ny fiteny espaniola) Isabel de Castilla sy Ferdinand de Aragón, nanome azy ny satan'ny [[Manjaka Faharoan'India]] ary ho lasa sefon'ny nosy sy tany ho hitany mandritry ny diany. Ny fahitana ny eran'ny Karaiba dia nanamarika ny fanjanatanian' Amerika. Io fahitam-baovao io dia manamarika ny fanombohan'ny Fotoana Moderna.
.
 
[[Sary:ColombusNotesToMarcoPolo.jpg|240px|rightankavanana|thumb|Pejy iray ao amin'ny bokin'i Marco Polo nosoratsoratan'i C. Colomb]]
 
Araka ny tantarata, i Christophe Colomb dia teraka tamin'ny 1451 tao amin'ny Repoblikan'i Genova. Ny rainy dia i Domenico Colomb ary ny reniny dia i Suzanna Fontanarossa. Any Calvi koa ny trano nahaterahan'i Colomb ; any Haute-Corse, tanàna Genovana tamin'izany fotoana izany. Ny zandriny dia Bartolomero Colomb sy Giacomo Colomb. Misy mpanoratra milaza fa olona jiosy voatery nivadika kristiana i Christophe Colomb - jereo ny ''[[Limpieza de sangre]]''. Io hipôtezy io dia miankina amin'ny taratasy nosoratany misy soratra ebreo hita ao amin'ny fiteny ladino.
 
Tamin'ny 1476, nihakatra tao amina sambo fitanteran'entana mankany Lisboa sy mankany Inglatera i Christophe Colomb. Fa voatafiky ny frantsay ilay sambo ary nandositra nankany amin'ny tanàna portogein'i Lagos izy ary aveo nankany amin'ny rahalahiny, mpanao sarin-tany any Lisboa.
[[Sary:ColombusMap.jpg|240px|rightankavanana|thumb|Ny sarin-tan'ny Colomb mpirahalahy]]
Nanambady an'i Filipa Moniz, zana-bavin'i Bartolomeu Perestrelo, governora'i Porto Santo (izy no nahatomboka ny fanjanataniana portogey tamin'ny 1425) Andrianakely portogey. I Felipa dia maty afaka fotoana vitsivitsy taorian'ny nahaterahan'ny zanany lahy tokana : Diego Colomb, mety teraka tany ami'nny 1480 teo amin'ny nosin'i Porto Santo (Hanana zanaka lahy faharoa i Colomb amin'ny 1488, Fernand no anarany, mety nahaterahan'i Beatriz Enriquez de Arana). Mihamaranitra hatrany ny fahaizan'i Colomb amin'ny famoivoizana an-dranomasina, mety avy amin'ny sarin-tany nomen'ny vadiny tamin'ny fanambadiany angamba io ; ireo sarin-tany ireo, manoro ny rivotra sy ny fananan-tany portogey, dia mety an'i Bartolomeu Perestrelo.