Boky voalohan' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
 
== Fanoratana ny boky ==
Asa soratry ny mpanindrahindra tanindrazana ny Boky voalohan' ny Makabeo izay nosoratan' olon-tsy fantatra nafana fo tamin' ny fanohanana ny fianakavia-mpanjaka hasmôneana. Nifototra tamin' ny tahirin-kevitra ôfisialy ny fitantarany. Manodidina ny taona 100 tal. J.K. no nanoratana ilay boky, taorian' ny nahafatesan' i [[Simona Makabeo|Simôna]] sy talohan' ny nidiran' i [[Pompeio|Pômpeio]] an-tsehatra tao [[Jerosalema]] tamin' ny taona 63 tal. J.K., satria miseho ho mankasitraka an' i Rôma ny mpanoratra<ref><small>Édouard Will, ''Histoire politique du monde hellénistique, 323-30 av. J.-C.'', Éditions du Seuil, 2003 (<abbr>1re</abbr> <abbr>éd.</abbr> 1966-1967) (<nowiki>ISBN 978-2020603874</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 326</small></ref>. Dikan-teny grika avy amin' ny soratra hebreo no endrik' io boky io voatahiry, angamba ny ''Horonan-tsoratry ny Hasmôneana'' izany, izay lazain' i [[Flavio JosefaJôsefa]] fa fivakina tamin' ny vanimpotoan' ny [[Tempoly Faharoa]].
 
== Votoatin' ny boky ==
Mitantara ny [[fikomian'ny Makabeo|fikomian' ny Makabeo]] hatramin' ny fanombohan' izany fikomiana izany tao [[Jodea]] hanoherana ireo mpanjaka [[seleokida]] ka hatramin' ny nanjakan' i [[Joany Hirkano I|Joany Hirkàno]] I ilay boky. Tantara niseho nandritra ny 40 taona izany.
 
Ny mpanoratra dia nandray ireo lohahevitra hita ao amin' ny tantaran' ny [[Jody]] (na Jiosy) tany aloha, indrindra ny ao amin' ny [[Bokin' ny Deoterônômy]] (na Deoterônômia) ny amin' ny fitandremana ny [[Lalàn'i Mosesy|Lalàna]]. Ny Lalàna no zava-dehibe indrindra amin' ny zavatra rehetra ka izany no nampisy ny tsy fifanarahana eo amin' ny mpitandrina ny Lalàna sy ireo manohitra izany. Amin' ny mpanoratra dia voninahitra lehibe ny maty amin' ny ady mitam-piadiana entina hiarovana ny Lalàna, ary ny fanompoana ny tanindrazana dia fanompoana an' Andriamanitra.
 
== Jereo koa: ==
Andalana faha-26:
* [[Boky faharoan' ny Mpanjaka]]
* [[Boky voalohan' ny Tantara]]
* [[Boky faharoan' ny Tantara]]
* [[Bokin' i Ezra]] (na Esdrasa)
* [[Bokin'i Nehemia|Bokin' i Nehemia]]