Mônôteisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''mônôteisma''' dia [[fivavahana]] sy finoana amin' [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] tokana na finoana ny maha tokana an' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]]. Ny [[pôliteisma]], izay finoana andriamanitra maro, no tena mazava ny fifanoherany aminy. Telo ny fivavahana lehibe fantatra mazava fa mônôteista, dia ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[silamo]]. Ny mônôteisma dia angamba nanomboka tany amin'ny taonjato faha-14 tal. J.K., niaraka amin'ny nanombohan'ny [[faraôna]] Amenôfisy IV nivavaka tamin' i [[Atôna]], [[andriamanitra masoandro]], izay ninoana fa fara tampony sady tokana. Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana tany [[Persia]] izay azo lazaina koa ho mônôteisma. Ny fotoana voalohany fantatra mazava nisian' ny mônôteisma anefa dia tamin' ny fandraisan'ireo ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] ny fivavahana amin' Andriamanitra, dia ilay andriamanitra tokana, indrindra tamin' ny [[Fivoahan'ny Zanak'i Israely avy any Egipta|fivoahan' izy ireo avy tao]] [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Ejipta]].
 
== Ireo fivavahana abrahamika ==
Atao hoe "[[Abrahamika (finoana)|abrahamika]]" ireo fivavahana heverina fa nipoitra tamin' ny fivavahan' i [[Abrahama|Abrahama,]] indrindra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] ary ny [[silamo]].
 
=== Ny jodaisma ===
Ilay andriamanitra tokana ao amin' ny [[Tanakh|Baiboly hebreo]] dia matetika tononina amin' ny anarana hoe ''El''. Io no anaran' ny andriamanitra fara- tampon' ny mponina tao [[Kanaana]] izay noraisin' ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] koa ho anaran' ny andriamaniny rehefa tonga tao Kanaana izy ireo.
 
Ny mpikaroka momba ny fivavahana dia milaza fa tsy tongaavy hatrany dia mônôteista ny fivavahan' ny hebreoHebreo fa [[henôteisma]] izay nomena anarana hoe ''[[yahvisma|iahvisma]]'' satria ninoan' ny Hebreo taloha ny fisian' ny andriamanitra maro nefa i [[Iahveh]] no nanataony ho andriamaniny nolovany tamin' ny razany, satria samy nanana ny andriamaniny ny firenena tsirairay. Tany am-[[Fahababoana tany Babilona|pahababoana]] any [[BabilonaBabilôna]] vao nanomboka ny finoan' ny [[Jiosy]] (na Jody) ny maha andriamanitry ny firenena rehetra sy izao rehetra izao an' Andriamanitra.
 
Ny mpikaroka sasany kosa dia milaza fa ny fanambaràna ny maha tokana an' i Iahveh dia niaraka tamin' ny fivoahan' ny [[Zanak' i Israely]] avy ao Ejipta. Ny anaran' ny andriamanitry ny Hebreo dia tsy azo tononina, fa nosoratana fotsiny amin' ny litera hebreo efatra izay azo adika amin' ny [[Abidy latina|litera latina]] hoe ''[[Yahweh|Ihvh]]''. Ny fanambaranfanambaràn-tenan' i Iahveh dia niseho tamin' ny fotoana nahitan' i [[Mosesy|Môizy]] (na [[Mosesy]]Môize) an' ilay roimemy mirehitra nefa tsy nety levona izay nilazan' Andriamanitra hoe "Izaho no ilay misy" (Eks. 3.14 ao amin' ny [[Baiboly malagasy|Baiboly Masina]]). Io filazàna ao amin' ny Ny Baiboly hebreo (na [[Tanakh]]) io dia maneho fa i Iahveh ihany no misy fa ny andriamanitra hafa dia tsy misy.
 
=== Ny kristianisma ===
Mônôteista ny [[Kristianisma|Kristiana]] nefa misy fahasamihafana amin' ny finoan' ny Jiosy sy ny SilamoMozilmana ny finoany an' Andriamanitra. Ny maro amin' ny Kristiana dia mino fa "Telo Izay Iray" na [[Trinite]] Andriamanitrany Andriamaniny, izany hoe "Andriamanitra tokana manana persôna telo"<ref><small>Ny hoe ''[[Persôna (teôlôjia)|persôna]] telo". Ny hoe ''persôna'' dia tsy nadikan' ny teôlôjiana miteny malagasy fa nionona amin' ny fitazonana ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''persona'' na fanagasiana ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''personne'' na ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''person'' izy ireo. Ny teolojianateolôjiana katolikakatôlika mampiasa ny fiteny malagasy dia mandika ny teny latina hoe ''persona'' amin' ny teny malagasy hoe ''olona''.</small> </ref>.
 
Tsy mifanaraka amin' ny mônôteisma ny fampianarana ny Trinite hoy ny antokom-pivavahana kristiana sasany isan' ireo niforona taorian' ny [[Fanavaozam-piangonanaFanavaozana pôtestanta|ReformasionaRefôrmasiona]] (na [[ReformaFanavaozana pôtestanta|Refôrma]]). Manohana ny atao hoe [[onitarisma]] izy ireo, izany hoe tsy personapersôna telo Andriamanitra fa tokana. I Fausto Socin dia namorona ny fiangonana manohitra ny Trinite tao [[Eorôpa Atsinanana]] atao hoe "Rahalahy Pôlôney". Niitatra tamin' ny taonjato faha-19 tany amin'ireo ny firenene anglô-saksôna sy tany [[Amerika Latina]] ny onitarisma. Maro koa ireony fivavahana kristiana niforona taty aoriana izay manohitra ny Trinite, ka isan' ireny ny [[Vavolombelon' i Jehovah]].
 
=== Ny finoanafivavahana silamo ===
Mônôteista sahala amin' ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] ny [[Silamo|fivavahana silamo]]. Ny anaran' Andriamanitra dia ''[[Allah]]''. Izany mahatokana an' Andriamanitra izany no atao amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe ''[[Tawhîd]]'' izay hamafisina amin' ny [[fiekem-pinoana]] (arabo: ''[[Fiekem-pinoana silamo|Shahâda]]'') hoe: "''Manambara aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary i [[Mohamady]] no irak'Andriamanitra''" (arabo: "اشهد ان لآ اِلَـهَ اِلا الله و أشهد ان محمدا رسول الله ").
 
== Ireo fivavahana hafa misy mihevitra fa mônôteista ==
 
=== Ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] na zôrôastrianisma dia fivavahana naorin' i [[Zaratostra]] (na Zôrôastra) tany [[Persia]] tany amin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. Manindry mafy ny fifanoheran' ny herin' ny tsara amin' ny herin' ny ratsy ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]) i Zaratostra nefa ny fivavahany dia azo lazaina hoe mônôteista satria tsy mitory fisian' andriamanitra roa mifanohitra izy fa andriamanitra tokana. I [[Ahura Mazda]] (na Ohrmazd) no anaran' ny andriamanitry ny zôrôastrisma. Ireo andriamanitra maro tao amin' ny fivavahana [[mazdeisma]] teo alohany dia lasa zavatra hafa heverina indraindray ho sahala amin' ny [[anjely]] na fiseho manokan' i Ahura Mazda izay lasa nanana tena manokana ka atao hoe ''[[amesha spenta]]''. Ny mpikaroka momba ny fivavahana dia milaza fa avy amin' ny finoana ny fisian' ny ''amesha spenta'' no nipoiran' ny finoana ny [[anjely]] sy [[arikanjely]] tao amin' ny fivavahana hafa.
 
== Jereo koa ==