Dôminika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Nosy be tendrombohitra niforona avy amin' ny [[afotroa]] i Dôminika. [[Toetanin-jana-pehin-tany]] ny [[Toe-tany|toetaniny]] ary ny be dia be ny rotsakorana ka ahafahan' ny [[ala]] mikitroka maniry tsara. Andalovan' ny [[rivodoza]] matetika io firenena io isan-taona.
[[Sary:Map of Dominica.gif|vignette|Sarin-tanin' i Dôminika]]
Vahoaka mainty hoditra ny ankamaroan' ny mponina ao (90 %) izay taranaka [[Fanandevozana|andevo]] avy aty [[Afrika]] nentina tao amin' io nosy io tamin' ny taonjato faha-18. Ny fivavahana [[Katôlisisma|katôlika]] no fivavahan' ny maro anisa ao. Miompana amin' ny [[fambolena]], izay tena mety ao aminy ny toekaren' i Dôminika, ka isan' ny vokatra be ao sady aondrana any ivelany ny [[Akondro (maniry)|akondro]], ny [[voasary]] ary ny [[kakaô]]. Nanomboka niroborobo ny [[Fizahàn-tany|fizahan-tany]] tamin' ireo taonataompolo 1990. Tamin' ny taona 1978 no nahazoan' i Dôminika ny fahaleovan-tenany ary mpikambana ao amin' ny [[Commonwealth]] izy. Atao hoe ''Wai'tu kubuli'' (izay midika hoe "Lehibe ny vatany") ny anarany amin' ny [[fiteny kalinagô]].
 
== Jereo koa ==