Sobordinatianisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fihodinana
Marika: Fihodinana vaovao
 
Andalana faha-1:
#FIHODINANA [[Sobôrdinatianisma]]
Ny '''sobordinatianisma''' na '''sobordinasionisma''' dia firehana teolojika kristiana izay mampianatra ny maha ambany fahefan'ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] an'i [[Jesosy]] sy ny [[Fanahy Masina]]. Ambany fahefan'ny Ray i Jesosy noho izy noforonin'ny Ray ary noho ny Ray izay sady tsy nateraka no [[Fihoa-draha|mihoa-draha]].
 
== Fiforonan-teny ==
Ny teny hoe ''sobordinatianisma'' sy ''sobordinasionisma'' dia fanagasiana ny teny frantsay hoe ''subordinatianisme'' sy teny anglisy hoe ''subordinationism'' sady avy amin'ny teny hoe ''subordination'' izay midika hoe "fahambany fahefana".
 
== Fandrosoan'ny soborditatianisma ==
Tamin'ny voalohany dia nenti-niady tamin'ny [[politeisma]] (fivavahana amin'andriamanitra maro) izay nahiahina ho voizin'ny teolojia vaovao, indrindra ny [[diteisma]] (fivavahana amin'andriamanitra roa), no nampandrosoana izany teolojia izany. Nampianatra ny sobordinatianisma ny [[rain'ny Fiangonana]] toa an'i [[Origenesy avy any Aleksandria|Origenesy]] sy ireo firehana tsy nanaraka ny fampianarana ny Trinite andalam-piforonana sady mbola tsy fantatra.
 
Niely nanomboka tamin'ireo taona voalohandohan'ny nisian'ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] izany fampianarana izany. Maro ny endrika nisehoan'ny sobordinatianisma teo antenantenan'ny taonjato faha-4. Tsy manao an'i Jesosy ho Andriamanitra ny mpomba ny sobordinatianisma ka mifanakaiky tanteraka amin'ny [[Arianisma (teolojia)|arianisma]] na endrika isehoan'ity farany izany.
 
== Fanamelohana ny sobordinatianisma ==
Tamin'ny taona 381 dia nanameloka ny arianisma amin'ny endriny rehetra, isan'izany ny sobordinatianisma, ny [[Konsily voalohany tao Konstantinopoly|konsily tao Konstantinopolisy]].
 
== Jereo koa : ==
 
* [[Trinite]]
* [[Konsily]]
* [[Kristolojia]]