Ouagadougou: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
EmausBot (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanala rohy interwiki 1 izay efa omen'i Wikidata eo amin'i d:Q3777
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-9:
}}
 
I '''Ouagadougou''' no renivohitr' i '''Borkina Fasô''', miorina eo afovoan' ilay firenena, eo ambony [[lembalemba]], afovoan'ny faritra fambolena. Izy no tanàna lehibe indrindra sady foibe ara-barotra sy ara-pitantanana lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, ampifandraisin' ny lalamby mankany [[Abidjan]] (any [[Kôtidivoara]]), eo amoron' ny [[Ranomasimbe Atlantika]], ary ampifandraisin' ny  arabe amin’ i [[Niamey]] (any [[Nizera]]). Manana seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ihany koa izy. Ny taozava-baventy eo an-toerana dia atokana amin' ny fikarakarana ny [[landihazo]] sy ny fanenomana lamba sy [[karipetra]], ary ny vokatra ara-tsakafo.
I '''Ouagadougou''' dia tanàna renivohitr'i [[Borkina Faso]].
 
Ahitana trano fonenana nentim-paharazana sy trano fonenana môderina ny ao Ouagadougou izay iorenan’ ny [[katedraly]] sy ny [[môskea]], ny lapan' i ''Morho Naba'' mpitarika ny [[Môsy (vahoaka)|Môsy]], ny oniversite (1969) ary ny tranombako-pirenena.
 
Naorin' i Oubri, zafikelin' i Ouédraogo, razamben' ny Môsy tamin' ny taonjato faha-15 i Ouagadougou izay renivohitry ny fanjakana môsy matanjaka taloha, misy ny ''morho naba'' ("mpanjakan' izao tontolo izao"). Nandritra ny fotoana nanjakany (1796-1825) dia nampiditra ny [[Silamo|fivavahana silamo]] ho fivavahan’ ny Môsy i Naba Dlugu. Ny fahefana avy amin’ ny razambe aananan’ ny ''morho naba'' (izay mbola maharitra hatramin’ izao) dia tena nanjavona nandritra ny [[Fanjanahan-tany frantsay|fanjanahan’ ny Frantsay]] sy hatramin’ ny nahazoan’ ilay firenena ny fahaleovan-tenany indray.
 
Tamin' ny taona 1897, ilay Frantsay mpikaroka tany vaovao, Paul Voulet sy Charles Chanoine, dia niady ka nandresy ary naka ny tanàna sy nanao sonia fifanarahana fiarovana ([[prôtektôrata]]) tamin' ny ''naba''. Tamin' ny taona 1960, tamin' ny fahaleovantenan' i [[Haute-Volta]], dia lasa renivohitr’ ilay firenena, izay novana anarana tamin' ny taona 1984 hoe Borkina Fasô (Burkina Faso “firenena olona marin-toetra”), i Ouagadougou.
 
== Jereo koa ==
* [[Borkina FasoFasô]]
 
{{vangovango}}