Dôgôna (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Foko aty Afrika
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andalana faha-11:
Amin' ny ankapobeny dia tantsaha ny Dôgôna, izay nahavita nampiridra ny fiainany amin' ny tontolo iainana any [[Sahely|Sahel]], izay tsy dia misy rano loatra. Mamboly [[ampembambazaha]], [[ampemba]], [[vary]] ary [[tongolo]] izy ireo. Tehirizina ao anaty trano fitehirizam-bokatra misy tafo kitsoloha rakotra mololo ny vokatra. Eny amin’ ny hantsana ny tanàna tranainy zay misy trano maro vita amin’ ny vato na biriky tanimanga manta.
 
Ny fiarahamonina dia mifototra amin' ny fanavahana maromaro: eo amin' ny lehilahy sy ny vehivavy, eo amin' ny sokajin-taona, eo amin' ny asa aman-draharaha. Araka izany, ny mpanefy, ny mpanao asa tanana ary ny mpitendry mozika sady pôeta (mampita ny [[lovatsfoinaLovantsofina am-bava|lovatsofina am-bava]], atao hoe ''griot''), dia mahaforona sarangam-poko mipetraka any amin' ny vakin-tanàna samihafa. Mitovy sokajin-taona ny ankizilahy niara-noforana. Tsy maintsy mifanampy izy ireo mandritra ny androm-piainany. Miraty trano iray izy ireo mandra-panambadiany. Toy izany koa ny tovovavy, izay mandalo ny fomban' ny [[famorana vehivavy]].
 
Mifamatotra amin' ny [[fedrà]] momba ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] ny rafi-piarahamonina. Eo an-tampon' izany rafitra izany no ahitana ny ''hogon'', mpitarika ara-pôlitika sy ara-pivavahana izay mitarika ny foko dôgôna efatra; izy ireo no maneho ny [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] Amma sy ny hery tsy hita maso hafa rehetra. Izy ireo no mitarika ny fikambanan' ny saron-tava (ata hoe ''ava''), izay mampivondrona ny lehilahy voafora rehetra, na tanora na antitra. Manana toerana lehibe eo amin' ny fombafomba fandevenana (mifandray amin' ny fahafatesana sy ny fandevenana) ny fikambanan' ny saron-tava.