Andôra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-2:
[[Sary:Location Andorra Europe.png|vignette|Sarin-tany maneho an' i Andôra ao Eorôpa]]
[[Sary:Carte Andorre.png|vignette|Sarin-tanin' i Andôra]]
I '''Andôra''' na ny '''Printsipaoten' i Andôra''' dia fanjakana ao [[Eorôpa Atsimo]] na [[Eorôpa Andrefana]], ao amin’ ny faritr’ i Pyrenea, eo anelanelan’ i [[Frantsa]] sy i [[Espaina]]. Ny renivohiny dia i [[Andorra la Vella]]. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 467,63 km<sup>2</sup> ny velaran-taniny ary miisa 85 082 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia +1. Iray amin' ireo firenena mdinikamadinika indrindra eto an-tany i Andôra. [[Printsipaote]] i Andôra, ka ny printsy miara-mitondra dia ny filohan' ny [[Frantsa|Repoblika  Frantsay]] sy ny evekan' i Urgel any [[Espaina]]. Nanomboka tamin' ny taona 1993 dia nanana ny [[Lalàm-panorenana|lalàm-panorenany]] sy ny governemantany ary ny antenimierany manokana ity firtenena ity. Ahitana [[Andôràna (vahoaka)|Andôràna]] (mihoatra kely ny 20&nbsp;%) sy [[Espaniôla (vahoaka)|Espaniôla]] (mihoatra kely ny 40&nbsp;%) sy [[Pôrtogey (vahoaka)|Pôrtogey]] ary [[Frantsay (vahoaka)|Frantsay]] ny mponina ao Andôra.
 
Firenena manan-karena i Andôra, ka ny loharanon-kareny amin' izany dia ny [[fizahàn-tany]] sy ny fandraharahana ara-bola.