Bôsnia-Herzegôvina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
I '''Bôsnia-Herzegôvina''' na '''Bôsnia sy Herzegôvina''' dia firenena ao [[Eorôpa Atsimo]], ao amin’ ny [[Saikanosy Balkanika]]. I [[Sarajevo]] no renivohiny. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 51 197 km<sup>2</sup> ny velaran-taniny ary miisa 3 839 737 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' nyh taona 2011. Ny faritr'ora dia +1.
 
Be tendrombohitra ity firenena ity, izay ahitana an' i Maglic ao atsimo (manana haambo mirefy 2 387 m). Ao amin' ny faritra misybe [[horohoron-tany]] no misy an' ity firenena ity ka matetika iharam-pahavoazana noho izany.
 
Vahoaka isan-karazany no madrafitra ny mponina ao Bôsnia-Herzegôvina, ka ny [[Bôsniaka (vahoaka)|Bôsniaka]] no betsaka indrindra (45 %), manaraka azy ny [[Serbiana (vahoaka)|Serbiana]] na Serba (mihoatra kely ny 30 %), avy eo ny [[Kroatiana (vahoaka)|Kroatiana]] na Krôaty (15 %). Ny [[silamo]] sy ny [[Kristianisma ôrtôdôksa|kristanisma ôrtôdôksa]] ary ny [[katôlisisma]] no fivavahana be mpanaraka indrindra any.
[[Sary:Carte de Bosnie.png|vignette|Sarin-tanin' i Bôsnia-Herzegôvina]]
Repoblika tao amin' i [[Iogôslavia]] taloha i Bôsnia-Herzegôvina. Tamin' ny nanambaràna ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1995 dia voazara ho roa ilay firenena, dia ny Federasiôna Krôatô-Miozolmana, izay 51 %n' ny velaran-taniny, sy ny Repoblika Serbiana, izay 49 %n' ny veleranvelaran-tanytaniny.
 
Firenena an-dalam-panarenana i Bôsnia-Herzegôvina ankehitriny satria ny ady tao Iogôslavia dia niteraka fandravana ny toekarenany. Taloha dia niroborobo ny [[taozava-baventy]] amokarana sy anodinana ny [[vy]], ny [[vy anidina]], ny [[tsỳ]] ary ny [[viraty]], toy izany koa ny taozavatra momba ny [[simia]], nefa rava ny ankamaron' ny fotodrafitrasa nenti-namokatra. Voafetra koa ny fahafaha-manao famokarana momba ny [[fambolena]] sy ny [[fiompiana]] noho ny [[vohon-tany]] mikintoana loatra: ny fiompiana [[ondry]] sy ny fitrandrahana ny ala no sehatr' asa mavesa-danja indrindra, ny famokarana [[voamadinika]] sy [[legioma]] ary [[voankazo]] kosa no iompanan’ ny fambolena.  
 
== Jereo koa ==