Broney: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
 
Andalana faha-1:
[[Sary:Flag of Brunei.svg|vignette|351x351px|Sainan' i Broney]]
[[Sary:Location Brunei ASEAN.svg|vignette|Sarin-tany maneho an' i Broney]]
[[Sary:Brunei carte.png|vignette|Sarin-tanin' i Broney]]
I '''Broney''' na '''SoltananSoltanatan' i Broney Darosalama''' (amin' ny [[fiteny maley]]: ''Kesultanan Brunei'') dia firenena ao amin' ny tapany avaratry ny nosy [[Bôrneô]], ao [[Azia Atsimo-Atsinanana]]. Itambarany amin' i [[Malezia|Malaizia]] sy i [[Indônezia]] io nosy io. Aamin' ny [[fiteny maley]]: izy dia atao hoe '''''Kesultanan Brunei'''''. Ny renivohiny dia i [[Bandar Seri Begawan]], izay tanàna lehibe indrindra ao. Hodidinin' ny tapany atsimon' ny [[Ranomasin' i Sina]] izy sady voafefin' ny fanjakan' i Sarawak any [[Malezia]]. Ny soltana Hassanal Bolkiah no nitondra azy nanomboka tamin' ny taona 1968. Protektôrata britanika taloha izy. Isan' ny mpikambana dimy manana ny fiandrianany manokana ao amin' ny [[Commonwealth ny firenena mahaleotena|Commowealth]] izy. Ny renivohiny dia i [[Bandar Seri Begawan]], izay tanàna lehibe indrindra ao. Mirefy 5&nbsp;765 km<sup>2</sup> ny velarantaniny ary miisa 108&nbsp;786 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2011. Ny faritr'ora dia +8.
 
Ao amin’ ny tany lemaka amorontsoraka be [[honahona]] no misy an’ i Broney; any anaty tany dia ahitana vohon-tany be tendrombohitra, ahitana ny [[tandavan-tendrombohitra]] Crocker, ka i Pagon Priok, izay manana haambo mirefy 1&nbsp;850&nbsp;m, no tampona avo indrindra ao amin’ io firenena io. Saika ny antsasaky ny veleran-tanin’ ilay firenena no rakotra ala mikitroka, izay ahitana biby isan-karazany toy ny [[androngo]], ny [[bibilava]], ny [[liona]], ny [[rajako]], ny [[tigra]], ary vorona isan-karazany. [[Maley (vahoaka)|Maley]] ny ankamaroan’ ny mponina any Broney. Ahitana [[Sinoa (vahoaka)|Sinoa]] sy [[Daiàka (vahoaka)|Daiàka]] (vahoaka tompon-tany) koa any. [[Silamo|Miozolmana]] ny ankamaroan’ ny mponina any. Ny [[fiteny maley]] no fiteny ôfisiany any.
 
Ny famokarana [[solitany]] sy [[etona voajanahary]] no mampatanjaka ny toekaren’ io firenena io. Ny fidiram-bolan’ ilay firenena dia mihoatra lavitra ny fandaniam-bolany ka noho izany dia maimaim-poana ny fianarana sy ny fitsaboana ary fisotroan-dronono any.
 
Prôtektôtorata britanika taloha i Broney izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1984. Mpikambana ao amin’ ny [[Commonwealth]] izy. Ankehitriny i Broney dia [[soltanata]] mampihatra fahefam-panjaka tsy refesi-mandidy: atao hoe "[[soltana]]" ny mpitondra ilay firenena.
 
== Jereo koa ==