Fiteny iraniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Modern Iranian- languages-map-new-2019.jpgpng|vignette|433x433px256x256px|Ireo faritra misy ny mpiteny iraniana ankehitriny]]
[[Sary:Iranian languages distribution.png|vignette|Fitsinjaràm-paritr' ireo fiteny iraniana]]
Ny '''fiteny iraniana''' na '''fiteny iranika''' dia vondrom-piteny isan' ireo [[fiteny indô-eorôpeana]], zana-pizaràn' ny sampana [[Fiteny indô-iraniana|indô-iraniana]]. Ny vondrom-piteny iraniana dia ahitana indrindra ny [[fiteny avestika]], ny [[fiteny persiana]] taloha, ireo fiteny iraniana maro notenenina nandritra ny [[Andro Antenantenany]], ny [[fiteny persana]] ankehitriny, ny [[fiteny pastô]], ny [[fiteny korda]] ary ny [[fiteny balotsy]]. Ny fitenin' ireo [[Skitiana]] sy ny an' ny Sarmatiana ary ny fiovan' ireo fiteny ireo amin' izao fotoana izao, ny [[Fiteny ôsetiana|fiteny ôseta]] tenenina ao [[Kaokazy]], dia samy fiteny iraniana koa.
 
Ligne 7 ⟶ 8 :
 
=== Ny fiteny zazaky ===
Ny [[fiteny zazaky]], izay atao hoe fiteny kirmanjky na kirdky na dimly na dimilky, dia fiteny tetenin'ny [[vahoaka zaza]] izay monina ao amin'ny faritr' i Dersim sy i Elâzığ ary i Diyarbakır ao [[Torkia]]. Isan' ny [[fiteny korda]] ny fiteny zazaky. Misy miteny azy koa ny ao amin' ny faritany sasany ao [[Kordistàna]] (ao atsimo). Maro ny toetra itovizan' ny [[fiteny zazaky]] amin' ireo fiteny ao amin' ny [[ranomasina Kaspiana]] toy ny [[fiteny talisy]], ny [[fiteny gilaky]], ny [[fiteny mazandarany]].
 
=== Ny fiteny ôsetiana ===
Ny [[fiteny ôsetiana]] na ôseta dia tetenin' ny vahoaka ôsetiana (na ôseta) izay monina indrindra ao [[Kaokazy]] indrindra ao [[Ôsetia]] ([[Ôsetia Avaratra]] sy [[Ôsetia Atsimo]]) any [[Jeôrjia]]. Mizara roa ny fiteny ôsetiana, dia ny fiteny irôna izay fiteny ampiasaina amin' ny haisoratra, sy ny fiteny digôa izay tenein' ny olona miisa 100  000 any ho any, Samy ampianarina sy soratana izy roa ireo.
 
=== Ny fiteny lôry ===
Ny [[fiteny lôry]] na fiteny lory dia vondrom-piteny madinika ao atsimo-andrefana izay tetenin' ny [[vahoaka lôry]] sy ny [[vahoaka baktiary]] izay monina ao amin' ny faritany iranianan' i Lorestan, Ilam, Chahar Mahaal sy Bakhtiari, Kohkiluyeh ary Buyer Ahmad, sy ao amin' ny faritra sasany ao Khuzestan. Mitovitovy amin' ny [[fiteny korda]] io fiteny io.
 
=== Ny fiteny korda ===
Ny [[fiteny korda]] na kordy dia fiteny iraniana andrefana, tenenin' ny [[Korda (vahoaka)|vahoaka korda]] (miiamiisa 44  000  000 any ho any) izay monina ao amin' ny faritra malalaka atao hoe [[Kordistàna]], izay mizara amin' i [[Torkia]] afovoany sy atsinanana, ao avaratra-andrefan' i [[Iràna]], ao [[Iràka]] atsimo ary ao [[Siria]] atsimo.
 
=== Ny fiteny farsy sy ny fiteny dary ary ny fiteny tajiky ===
Ny [[fiteny farsy]] na persàna dia fiteny ôfisialin' i Iràna sy be mpiteny indrindra ao amin' io firenena io (ao afovoany, ao afovoany atsimo, ao avaratra -atsinanana), ao [[Afganistàna]] ary ao [[Tajikistàna]]. Ahitana olona miteny azy koa ny ao [[Bareina]], ny ao [[Katara]], ny ao amin' ny [[Emirata Arabo Mitambatra]]. Endriky ny fiteny persàna isam-paritra koa ny [[fiteny dary]] (fiteny ôfisialy ao Afganistàna), ny [[fiteny tajiky]] (fiteny ôfisialin' i Tajikistàna) izay tenenina koa ao [[Kirgizistana|Kirgizistàna]], ao [[Torkmenistàna]], ao [[Ozbekistàna]] ary koa ao [[Kazakstàna]].
 
Ny fiteny dary, izay atao hoe fiteny persàna afgàna na fiteny farsy atsinanana, dia endriky ny fiteny persàna (na farsy) teneinatenenina indrindraindrindra ao Afganistàna. Ny [[fiteny tajiky]], na fiteny tôjiky, dia endriky ny fiteny persàna (na farsy) tenenina ao Tajikistàna. Mitovitovy amin' ny fiteny dary izay samy endriky ny fiteny persàna io fiteny io.
 
=== Ny fiteny pastô ===
Ny [[fiteny pastô]] na pasto na patstô (arakaraka ny faritra) dia fiteny iraniana atsinanana izay tetenina ao Afganistàna (isan' ny fiteny ôfisialin' io firenena io, manampy ny [[Fiteny persana|fiteny persàna]] sy ny [[fiteny dary]]) sy ao [[Pakistàna]] sady tetenin' ny olona miisa 45 000  000 any ho any. Atao hoe [[Patstona (vahoaka)|Patstona]] na Pastona ny mpiteny pastô.
 
=== Ny fiteny balotsy ===
Ny [[fiteny balotsy]] dia tetenina ao [[Balotsistàna]] (izay nozarain' i Iràna sy i Afganistàna ary i Pakistàna). Ahitana olona miteny azy koa ny ao [[Torkmenistàna]] sy ny ao [[Omàna|Ômàna]]. Fiteny lavidavitra ny [[fiteny farsy]] ny fiteny balotsy. Misy ampahany be amin' ny mpiteny balotsy no miteny farsy ao Iràna sy ao Afganistàna ary ao Pakistàna.
 
=== Ny fiteny gilaky ===
Ny [[fiteny gilaky]], izay atao hoe fiteny gilany koa, dia fiteny ao amin' ny faritanin' i Gilan (na Guilan) ao Iràna. Miseho amin' ny endrika telo ny fiteny gilaky, dia ny fiteny gilaky andrefana sy ny fiteny gilaky atsinanana ary ny fiteny gilaky tabary. Akaiky dia akaiky ny [[fiteny mazandarany]] ny fiteny gilaky raha amin' ny lafiny voambolana fa akaiky ny [[fiteny zazaky]] amin' ny lafiny rafi-piteny. Miisa 3 600  000 any ho any ny mpiteny gilaky tamin' ny taona 1993.
 
=== Ireo endri-piteny taty na azary ===
Ny endri-piteny taty na azary dia fitambarana endri-piteny iraniana tetenina ao avaratra andrefan' i Iràna. Isan' ireo fiteny iraniana avaratra -andrefana izy ireo. Ireo endri-piteny taty dia miparitaka amin' ireo faritra misy ny mpiteny azery ao Iràna. Tsy afangaro amin' ny fiteny taty izay tenenin' ny vahoaka taty ao [[Kaokazy]] ireto endri-piteny taty ireto.
 
=== Ny fiteny talisy ===
Ny [[fiteny talisy]] dia fiteny tenenina ao Iràna, ao amin' ny faritra atsimon' ny ranomasina[[Ranomasina Kaspiana]] sy teneintenenin' ireo [[Talisy (vahoaka)|Talisy]] ao [[Azerbaijàna]].
 
=== Ny fiteny mazandarany ===
Ny [[fiteny mazandarany]], izay atao hoe fiteny mazany na tabary na geleky, dia fiteny iraniana avaratra -andrefana tetenina ao [[Iràna]] ao amin' ny [[Faritanin' i Mazandaran|faritanin' i Mazanderan]]. Mitovitovy amin' ny [[fiteny gilaky]] ny fiteny mazandarany, indrindra raha ny voambolana no heverina. Nisy 3  000  000 eo ho eo ny mpiteny mazandarany manao azy ho fiteny nibeazana tamin' ny taona 1993.
 
== Jereo koa ==