Fiteny persana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-39:
Ny '''fiteny persana''' na f'''iteny farsy''' na '''fiteny persiana''' dia [[tenim-pirenena]]n' i [[Iràna|Irana]], ao amin' ny fianakaviana [[Fiteny indô-eorôpeana|indô-eorôpeana]], ao amin' ny sampana [[Fiteny indô-iraniana|indô-iraniana]], ao amin' ny zana-tsampana [[Fiteny iraniana|iraniana]]. Mahery ny 60 tapitrisa ny isan' ny mpiteny persana any Iràna ary ny any [[Afganistana]] misy 16 tapitrisa. Misy mpiteny persana koa ny any [[Tajikistana|Tajikistàna]], ny any [[Bareina]] ary ny any [[Ozbekistana|Ozbekistàna]] (foko tajiky). Atao hoe فارسی / ''fārsī'' ny anaran' ny fiteny persana any Iràna sy any Afganistàna. Endrika arabon' ny teny hoe ''parsi'', ny hoe ''farsi'' satria tsy manana renifeo ''p'' ny [[abidy arabo]].
 
Manana satam-piteny ôfisialy ny fiteny persana anatin' ireo [[firenena]] telo ireo: endriky ny fiteny persàna isam-paritra ny [[fiteny dary]] (fiteny ôfisialy ao Afganistàna) sy ny [[fiteny tajiky]] (fiteny ôfisialin' i [[Tajikistàna]]) izay tenenina koa ao [[Kirgizistana|Kirgizistàna]], ao [[Torkmenistàna]], ao [[Ozbekistàna]] ary koa ao [[Kazakstàna]]. Ny totalin' ny mpiteny persana dia misy 75 tapitrisa.
 
Ny rafi-pehezanteniny dia [[SOV]]. Soratana amin' ny alalan' ny [[abidy arabo]] ny fiteny persana na dia tsy manam-pifandraisana amin' ny [[fiteny arabo]] aza izy na amin' ny lafiny voambolana na amin' ny lafiny ara-drafi-peo. Any Tajikistàna (sy any Ozbekistàna miteny persana) dia soratana amin' ny [[abidy sirilika]] ny [[fiteny tajiky]].
Andalana faha-46:
 
* [[Fiteny iraniana]] sasantsasany: [[fiteny zazaky]] - [[fiteny ôsetiana]] - [[fiteny lôry]] - [[fiteny korda]] - [[fiteny persana]] - [[fiteny dary]] - [[fiteny tajiky]] - [[fiteny pastô]] - [[fiteny balotsy]] - [[fiteny gilaky]] - [[fiteny talisy]] - [[fiteny mazandarany]].
* [[Iranianina (vahoaka)|Vahoaka iraniana]]
 
== Rohy ivelany ==