Fiteny any Pakistàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fitenin' ny vitsy an'isa
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''fiteny any Pakistàna''' dia maro isan-karazany, nefa ny [[fiteny ordo]] sy ny [[fiteny anglisy]] no [[Fiteny ofisialy|fiteny ôfisialy]]. Ny fiteny ordo dia fiteny ifaneraseran' ny ankamaroan' ny mponina any [[Pakistàna]] (80 %) nefa ny 7 % ihany no teraka tamin' io fiteny io. Tamin' ny fiforonan' ilay firenena sy ny fitadiavana fiteny tsy miandany raha mitaha amin' ireo fiteny isam-paritra no nanombohan' ny fananan-danjan' ity fiteny ity. Fiteny faharoa ho an' ny 5 %n' ny mponina ny fiteny anglisy sady fitenin-dreny ho an' ny mponina miisa 100 000 any ho any.
 
Ny fitenin-dreny miely patrana indrindra ao amin' io firenena io dia tsy mitovy amin' ireo fiteny ôfisialy roa. Matetika izy ireo no an' ny faritra ara-jeôgrafia sy amin' ny foko manokana: ny [[fiteny penjaby]] (tenenin' ny 39 % amin' ny mponina) ary ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]] (12%) ho an' ny Ponjaby, ny [[fiteny pastô]] (18%) ho an' ny Pastona, ny [[fiteny sindy]] (15%) ho an' ny Sindy, ny [[Fiteny ordò|fiteny ordo]] ho an' ny MohadjiraMohajiry (7%) ary koa ny [[fiteny balotsy]] (3%) sy ny [[fiteny brahoy]] (1%) ho an' ny Balotsy na ny Brahoy.
 
Ny fiteny ampiasaina ao amin' io firenena io, teo amin' ny tantara, dia nandray akony [[India|indiana]] sy [[arabo]] ary [[Persia|persiana]]. Ny toeran' ny fiteny eo amin' ny fiaraha-monina sy eo amin' ny andrim-panjakana dia fototry ny resabe isan-karazany ao amin' io firenena io. Na dia eo aza ny finiavan' ny governemanta dia miady mafy ny [[fiteny ordo]] hanohitra ny fiteny any amin' ny faritra. Miezaka ny hahazo fankatoavana ôfisialy ireto farany, fa ny hafa toa ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]] sy ny [[fiteny hindkô]] dia matetika heverina ho endri-pitenim-paritra tsotra, na dia eo aza ny fitakiana azy ho fiteny mahaleo tena manana ny zony manokana.
Andalana faha-18:
 
== Ireo fitenim-paritany ==
 
=== Fiteny isam-paritany ===
Fitenim-paritany efatra no manjaka amin' ireo faritany efatra ao Pakistàna. Ny be mpampiasa indrindra dia ny [[fiteny ponjaby]], ny ankamaroany dia manjaka ao amin' ny faritanin' i Punjab, izay manankarena sy be mponina indrindra ao amin' ny firenena. Araka izany, efa ho ny 38,8 % amin' ny Pakistaney no mananao ny fiteny ponjaby ho fiteniny voalohany araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2017, ary 70 % ny ao Punjab. Manampy iaay io ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]], izay fitenin-drenin' ny 12 % amin' ny mponina. Any amin' ny faritra atsimon' iny faritany iny ihany izy io, ary heverina ho endriky ny fiteny penjaby indraindray nefa heverin' ny hafa ho fiteny mahaleo tena manana ny zony. Ny [[fiteny hindkô]] ihany koa dia iharan' ny fiheverana mitovy amin' izany ao amin' io firenena io. Ireo [[fiteny landà]] dia ivondronan' ny 53 % amin' ny Pakistaney.
 
Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2017 ihany, ny [[fiteny pastô]] no fiteny faharoa be mpampiasa indrindra ao any Pakistàna, izay tenenin' ny 18,2 %n' ny mponina. Ny [[Pastona (vahoaka)|Pastona]] no tena miteny azy, ao amin' ny faritanin' i Khyber Pakhtunkhwa efa ho 77 % amin' ny mponina ao aminy ary 35 % amin' ny mponina ao Balochistan, indrindra any amin' ny faritra avaratra. Ny fiteny fahatelo be mpampiasa indrindra ao Pakistàna dia ny [[fiteny sindy]], any amin' ny faritanin' i Sindh. 14,6 % eo ho eo amin' ny Pakistaney no miteny izany, ka ny 62 % aamin' izany dia ao amin' ny faritanin' i Sindh. Io no fiteny faharoa manan-danja indrindra araka ny tombantomban' ny ''[[World Factbook]]''. Ny fitenim-paritany farany dia ny [[fiteny balotsy]], tenenina any amin' ny faritany mahantra sy vitsy mponina ao Balochistan, izay tenenin' ny 35 %n' ny mponina ao aminy, ary eo amin' ny 3% manerana an' i Pakistàna.
 
=== Satan' ny fitenim-paritany ===
Ny Lalàm-panorenan' ny taona 1973 dia miteny ao amin' ny andalana faha-3 amin' ny andininy faha-251 fa ny Antenimieram-paritany dia afaka manome sata ôfisialy ny tenim-paritra "nefa tsy manohintohna ny fiteny ôfisialy". Io andinin-teny io dia milaza fa ny fivoriambe dia tsy maintsy mifidy lalàna izay manazava ny fepetra mikendry ny fampianarana sy ny fampiroboroboana ary ny fampiasana azy. Ny Antenimieram-paritany ao Sindh ihany no nifidy ny fepetra toy izany momba ny fiteny sindy, noho izany dia ampiasaina amin' ny fomba ôfisialy amin' ny fitantanan-draharaha sy ny andrim-panjakana eo an-toerana io fiteny io.