Fiteny any Pakistàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny ôfisialy
Andalana faha-1:
[[Sary:Majority first language by district in Pakistan as of the 1998 census.png|vignette|231x231px|Ireo fiteny be mpampiasa indrindra isaky ny distrika any Pakistàna]]
Ny '''fiteny any Pakistàna''' dia maro isan-karazany, nefa ny [[fiteny ordo]] sy ny [[fiteny anglisy]] no [[Fiteny ofisialy|fiteny ôfisialy]]. Ny fiteny ordo dia fiteny ifaneraseran' ny ankamaroan' ny mponina any [[Pakistàna]] (80 %) nefa ny 7 % ihany no teraka tamin' io fiteny io. Tamin' ny fiforonan' ilay firenena sy ny fitadiavana fiteny tsy miandany raha mitaha amin' ireo fiteny isam-paritra no nanombohan' ny fananan-danjan' ity fiteny ity. Fiteny faharoa ho an' ny 5 %n' ny mponina ny fiteny anglisy sady fitenin-dreny ho an' ny mponina miisa 100 000 any ho any.
 
Ligne 4 ⟶ 5 :
 
Ny fiteny ampiasaina ao amin' io firenena io, teo amin' ny tantara, dia nandray akony [[India|indiana]] sy [[arabo]] ary [[Persia|persiana]]. Ny toeran' ny fiteny eo amin' ny fiaraha-monina sy eo amin' ny andrim-panjakana dia fototry ny resabe isan-karazany ao amin' io firenena io. Na dia eo aza ny finiavan' ny governemanta dia miady mafy ny [[fiteny ordo]] hanohitra ny fiteny any amin' ny faritra. Miezaka ny hahazo fankatoavana ôfisialy ireto farany, fa ny hafa toa ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]] sy ny [[fiteny hindkô]] dia matetika heverina ho endri-pitenim-paritra tsotra, na dia eo aza ny fitakiana azy ho fiteny mahaleo tena manana ny zony manokana.
 
== Ireo fiteny ôfisialy ==
Ny [[fiteny ordo]] miaraka amin' ny [[fiteny anglisy]] no [[Fiteny ôfisialy|fiteny ôfisiali]]<nowiki/>n' ny [[Pakistàna|Repoblika Islamikan' i Pakistàna]]. Ny andininy faha-251 ao amin’ ny Lalàm-panorenana 1973 dia manambara fa "ny fiteny nasiônalin' i Pakistàna dia ny fiteny ordo, ary hisy fepetra tokony horaisina mba hampiasana azy amin’ ny fomba ofisialy (...) ao anatin’ ny 15 taona manomboka amin’ io andro io".
 
=== Ny fiteny anglisy ===
Ny lahatsoratry ny lalam-panirenana dia manohy ao amin' ny fehin-tsoratra 2 fa ny fiteny anglisy dia azo ampiasaina amin' ny fomba ôfisialy mandra-pahavitan' ity dingana tetezamita 15 taona voalaza ao amin' ny andalana voalohany ity. Noho izany, raha ny fiteny anglisy sy ny fiteny ordo no matetika aseho ho fiteny ôfisialy mifanila, ny hevitry ny lahatsoratra dia manao ny fiteny ordo ho hany fiteny ôfisialy, fa ny fiteny anglisy dia nomena alalana fotsiny ho fiteny tetezamita alohan' ny hanjakan' ny fiteny ordo tanteraka.
 
Ampiasaina betsaka amin’ ny haino aman-jery ny fiteny anglisy. Ny fiteny anglisy koa dia ilaina amin' ny fifandraisana amin' ny firenena hafa ao amin' ny faritra. Izy io dia tazonina ho iray amin' ireo fiteny ifaneraserana ao amin' io firenena io hifandraisan' ny samy foko ary mijanona ho fiteny diplômatika ifandraisana amin' i [[India]].
 
=== Ny fiteny ordo ===
Na dia fiteny ôfisialy aza ny [[fiteny ordo]] dia vitsy an'isa ny Pakistaney miteny ordo: zara raha 7 % amin' ny mpiteny teratany. Hita any amin' ny afovoan' ny tanàn-dehibe izy ireo, anisan' izany i [[Karachi]], i Hyderabad ary i [[Islamabad]]. Ny vahoaka mohajiry (''muhadjir'') no voalohany mampiasa tsara io fiteny io. Miozolomana avy any India izy ireo izay nifindra monina tany Pakistàna tamin' ny nananganana an' io firenena tamin' ny taona 1947, ary nandray anjara betsaka tamin' ny hetsika izay nitarika ho amin' ny famoronana ilay firenena. Nampandrosoina ihany koa ny fiteny ordo satria hita fa mety ho an' ny firaisam-pirenena, satria ialana amin' ny fandaniana amin' ny fiteny sasany izay manjaka amin' ny faritra samihafa ao amin' ilay firenena. Io faniriana hametraka ny fiteny ordo ho fiteny ôfisialy tokana mandritra ny adihevitra ao amin' ny Antenimieram-panorenana io dia niteraka ny ''Hetsiky ho an' ny Fiteny'' ao Pakistàna Atsinanana hanohanana ny [[fiteny bengaly]], izay nekena ho fiteny ôfisialy tamin' ny taona 1956, mandra-pisarahan' i [[Bangladesy]] tamin' ny taona 1971.
 
== Jereo koa ==