Fiteny any Pakistàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Fiteny any Pakistana ho Fiteny any Pakistàna i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''fiteny any Pakistàna''' dia maro isan-karazany, nefa ny [[fiteny ordo]] sy ny [[fiteny anglisy]] no [[Fiteny ofisialy|fiteny ôfisialy]]. Ny fiteny ordo dia fiteny ifaneraseran' ny ankamaroan' ny mponina any [[Pakistàna]] (80 %) nefa ny 7 % ihany no teraka tamin' io fiteny io. Tamin' ny fiforonan' ilay firenena sy ny fitadiavana fiteny tsy miandany raha mitaha amin' ireo fiteny isam-paritra no nanombohan' ny fananan-danjan' ity fiteny ity. Fiteny faharoa ho an' ny 5 %n' ny mponina ny fiteny anglisy sady fitenin-dreny ho an' ny mponina miisa 100 000 any ho any.
 
Ny fitenin-dreny miely patrana indrindra ao amin' io firenena io dia tsy mitovy amin' ireo fiteny ôfisialy roa. Matetika izy ireo no an' ny faritra ara-jeôgrafia sy amin' ny foko manokana: ny [[fiteny penjaby]] (tenenin' ny 39 % amin' ny mponina) ary ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]] (12%) ho an' ny Ponjaby, ny [[fiteny pastô]] (18%) ho an' ny Pastona, ny [[fiteny sindy]] (15%) ho an' ny Sindy, ny [[Fiteny ordò|fiteny ordo]] ho an' ny Mohadjira (7%) ary koa ny [[fiteny balotsy]] (3%) sy ny [[fiteny brahoy]] (1%) ho an' ny Balotsy na ny Brahoy.
 
Ny fiteny ampiasaina ao amin' io firenena io, teo amin' ny tantara, dia nandray akony [[India|indiana]] sy [[arabo]] ary [[Persia|persiana]]. Ny toeran' ny fiteny eo amin' ny fiaraha-monina sy eo amin' ny andrim-panjakana dia fototry ny resabe isan-karazany ao amin' io firenena io. Na dia eo aza ny finiavan' ny governemanta dia miady mafy ny [[fiteny ordo]] hanohitra ny fiteny any amin' ny faritra. Miezaka ny hahazo fankatoavana ôfisialy ireto farany, fa ny hafa toa ny [[Fiteny seraiky|fiteny saraiky]] sy ny [[fiteny hindkô]] dia matetika heverina ho endri-pitenim-paritra tsotra, na dia eo aza ny fitakiana azy ho fiteny mahaleo tena manana ny zony manokana.
 
== Jereo koa ==