Fiteny penjaby: Fahasamihafan'ny versiona

Aucun changement de taille ,  il y a 6 mois
k
tsy misy ambangovangom-panovana
(Fiteny indô-eorôpeana)
 
kAucun résumé des modifications
Ny '''fiteny penjaby''' na '''fiteny ponjaby''' na '''fiteny panjaby''' dia [[fiteny indô-ariana]] tenenin' ny vahoaka Ponjaby any amin' ny Faritra Punjab any [[Pakistàna]] sy any [[India]]. Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistàna ary fiteny faha-11 be mpampiasa indrindra any India.
 
Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 80,5 tapitrisa ao Pakistàna (tamin' ny taona 2017). Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistàna. Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 31,1 tapitrisa (tamin' ny taona 2011) ary manana sata ôfisialy ao amin' ny Fanjakan' i [[Punjab, India|Punjab]] any India. Io fiteny io dia ampiasain' ireo zanalazanaka am-pielezana maro any ampitan-dranomasina, indrindra any [[Kanada|Kanadà]], any [[Etazonia]] ary any amin' ny [[Fanjakana Mitambatra]]. Manana mpiteny teratany 113 tapitrisa eo ho eo ny fiteny ponjaby.
 
Ao Pakistana, ny fiteny ponjaby dia soratana amin' ny abidy shahmukhi, mifototra amin' ny soratra persô-arabo; any India, dia soratana amin' ny abidy gurmukhi izy io, mifototra amin' ny soratra indika (na brahmika). Ny fomban' ny fiteny penjaby dia tsy mahazatra ao amin' ireo fiteny indô-ariana sy ao amin' ny fianakaviamben' ny [[Fiteny indô-eorôpeanina|fiteny indô-eorôpeana]] manontolo amin' ny fampiasana ny fiaka-midin' ny haavom-peo eo amin' ny [[vanin-teny]] iray (toy ny an' ny [[Fiteny sinoa|Sinoa]] sy ny [[Fiteny vietnamiana|Vietnamiana]]).
30 480

modifications