India Atsinanana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Faritra any India
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:East India.svg|vignette|India Atsinanana]]
I '''India Atsinanana''' dia faritra iray ahitana ireo fanjakàna any [[India]] toa an' i [[Bihar]], i Jharkhand, i [[Bengal Andrefana]], i [[Odisha]] ary koa ny faritanin' ny [[Nosy Andaman sy Nicobar]]. Io faritra io dia mifanitsy ny faritra manan-tantaran' i Magadha izay nandovany ny [[fiteny indô-ariàna atsinanana]] samihafa. Ireo fanjakana any atsinanana dia tafiditra ao amin' ny faritr' i [[India Avaratra-Atsinanana]].
 
Ny Fanjakan' i Bihar sy Bengal Andrefana dia eo amin' ny [[Lemaka]] Indô-Ganjetika. i Jharkhand dia eo amin' ny [[Lembalemba]] Chota Nagpur. Eo amin' ny Ghats Atsinanana sy ny Lembalemba Deccan no misy an' i Odisha. Ny renivohitr' i Bengal Andrefana, [[Kolkata]], no tanàna lehibe indrindra amin' ity faritra ity. Ny faritr' i Kolkata Metrôpôlitana no fahatelo lehibe indrindra ao amin' ilay firenena. Ny faritra dia hodidinin' i [[Botàna]] (Bhutan) sy [[Nepaly]] (Nepal) ary ny Fanjakan' i Sikkim any avaratra, ny Fanjakan' i Uttar Pradesh sy Chhattisgarh any andrefana, ny Fanjakan' i Andhra Pradesh any atsimo ary ny firenena [[Bangladesy]] (Bangladesh) any atsinanana. Io faritra io koa dia voafaritry ny [[Helodranon' i Bengal]] any atsimo-atsinanana. Izy io dia mifandray amin' ny ''Seven Sister States'' any [[India Avaratra-Atsinanana]] amin' ny alàlan' ny Lalantsara Siliguri any avaratra-atsinanan' i Bengal Andrefana. I India Atsinanana no manana ny harin-karena faobe fahefatra lehibe indrindra noho ny faritra hafa any India.
Ireo fanjakana any atsinanana dia tafiditra ao amin' ny faritr' i [[India Avaratra-Atsinanana]].