Faritra Bongolava: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fihodinana
Marika: Fihodinana vaovao
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Votoatiny nafindra
Marika: Redirection supprimée VisualEditor:Nivadika
Andalana faha-1:
#FIHODINANA [[Sary:Madagascar-Bongolava Region.png|vignette]]
Ny '''Faritra Bongolava''' dia isan'ireo faritra 23 mandrafitra ny firenena malagasy. Tao anatin'ny faritan'[[Antananarivo]] teo aloha no misy azy. Distrika roa no mandrafitra ny faritr'i Bongolava, dia ny [[Distrikan' i Tsiroanomandidy]] (renivohitry ny faritra) sy ny [[Distrikan'i Fenoarivobe]]. Ny [[Faritra Betsiboka]], [[Melaky]], [[Menabe]], [[Faritra Vakinankaratra|Vakinankaratra]], [[Faritra Itasy|Itasy]] ary [[Analamanga]] no mamaritra azy.
 
== Pôlitika ==
 
Tamin' ny [[Repoblika Malagasy|Repoblika voalohany]] dia tao anatin' ny Fileovan' Itasy no nisy ny faritr' i Bongolava. Rehefa niova ny rafitry ny fitsinjaram-pahefana, tamin' ny [[Repoblika Demôkratika Malagasy|Repobika faharoa]], dia isan' ireo fivondronana 19 mandrafitra ny Faritanin' Antananarivo, ireo distrika roa, Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe.
Ankehitriny, tamin' ny fametrahana ireo faritra 23 eto Madagasikara, dia natsangana ho faritra i Bongolava ka i Tsiroanomandidy no renivohitr' izany. Ny lehiben' ny faritra dia i Jean Claude Rabarijaona.
 
== Toekarena ==
Ny faritra Bongolava dia isan' ny faritra mivelona amin' ny fambolena sy fiompiana. Isan' ny mpamatsy ny renivohitr' i [[Madagasikara]] izy eo amin' ny lafiny vary, katsaka. Raha ny fiompiana kosa no asian-teny, dia ny fiompiana omby no mampalaza azy indrindra. Ao Tsiroanomandidy rahateo no misy ny tsenan' omby lehibe indrindra eto Madagasikara. Saika miondrana ao Antananarivo avokoa moa ireo omby ireo.
 
== Mponina ==
Faritra azo sokajiana ho faritry ny mpifindra monina iny tapany andrefana amin' ny faritanin' Antanaanrivo teo aloha iny. Tsy mahagaga raha hita ao Tsiroanomandidy avokoa ireo foko 18 misy eto Madagasikara.
 
== Distrika ao amin' ny Faritra Bongolava ==
 
* [[Distrikan'i Fenoarivobe]]
* [[Distrikan'i Tsiroanomandidy]]
 
== Jereo koa ==
'''Faritany sy faritra eto Madagasikara''': [[Faritanin' Antananarivo]] ([[Faritra Itasy]] - [[Faritra Analamanga|Analamanga]] - [[Faritra Bongolava|Bongolava]] - [[Faritra Vakinankaratra|Vakinankaratra]]) - [[Faritanin' Antsiranana]] ([[Faritra Diana]] - [[Faritra Sava|Sava]]) - [[Faritanin' i Fianarantsoa]] ([[Faritra Atsimo-Atsinanana]] - [[Faritra Amoron'i Mania|Amoron'i Mania]] - [[Faritra Ihorombe|Ihorombe]] - [[Faritra Matsiatra Ambony|Matsiatra Ambony]] - [[Faritra Vatovavy-Fitovinany|Vatovavy-Fitovinany]]) - [[Faritanin' i Mahajanga]] ([[Faritra Boeny]] - [[Faritra Betsiboka|Betsiboka]] - [[Faritra Melaky|Melaky]] - [[Faritra Sofia|Sofia]]) - [[Faritanin' i Toamasina]] ([[Faritra Alaotra-Mangoro]] - [[Faritra Analanjirofo|Analanjirofo]] - [[Faritra Atsinanana|Atsinanana]]) - [[Faritanin' i Toliara]] ([[Faritra Atsimo-Andrefana]] - [[Faritra Anosy|Anosy]] - [[Faritra Androy|Androy]] - [[Faritra Menabe|Menabe]]){{vangovango}}
 
== Rohy ivelany ==
 
* [http://www.bongolava.com Site non-officiel sur la région Bongolava]
 
* [http://www.bongolava.gov.mg Region du Bongolava] {{Wayback|url=http://www.bongolava.gov.mg/ |date=20080925013355 }}
 
{{Faritra Madagasikara}}
 
[[Sokajy:Jeografian'i Madagasikara]]
[[sokajy:Faritr'i Madagasikara]]