Andro Taloha: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Andalana faha-1:
Ny hoe '''Andro''' '''Taloha''' dia ilazana vanim-potoan'ny Tantara izay nialoha ny [[Andro Antenatenany]] na ny [[Andro Vaovao]]. Miovaova ny fivelaran'io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiona heverina. Amin'ny tantara eoropeana dia fotoana mifanandrify amin'ny sivilizasionan'ny soratra nanodidina ny [[Ranomasina Mediteranea]] ny Andro Taloha ka ny ankamaroan'ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin'ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan'ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin'ny famoronana ny soratra tany [[Mesôpôtamia]] (ny [[soratra miendri-pantsika]].) sy tany [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta]]. Nanova tanteraka ny tantaran’ny olombelona ny fahitana ny soratra izay nitranga tamin’ny taona 3300 tal. J.K. Ny fiafaran'ny Andro Taloha dia heverin'ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan'ny taona 300 sy 600).
 
Tamin’ny taona 476 taor. J.K. dia rava ny empira farany tamin’ireo lehibe tamin’izay nisy manodidina an’i Mediretanea, tsy iza izany fa ny [[Empira Rômana|Empira rômana]]. Izany faharavàn’ny Empira rômana izany dia nahatapaka tanteraka ny tantaran’ny tandrefana nefa tsy nisy vokany tamin’ny tantaran’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao.