Koramita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-6:
 
== Ny finoany ==
I Al-Maqdisi (mpahay jeôgrafia arabo) dia miresaka zava-misy maromaro. Nomarihiny fa "ny fototra ao amin' ny fampianaran' izy ireo dia ny finoana ny mazava sy ny haizina"; indrindra indrindra, "ny foto-pisian' izao rehetra izao dia ny Fahazavana, izay misy ampahany nofoanana ka nivadika ho Haizina". "Ialan' izy ireo ny fandatsahan-dra, afa-tsy rehefa atsangany ny fanevan' ny fikomiana". Izy ireo dia "tena miahy ny amin' ny fahadiovana sy ny fanadiovana, ary ny amn' ny fanatonana olona amin-katsaram-panahy sy fiantrana". Ny sasany tamin' izy ireo dia "nino ny [[firaisana ara-nofo malalaka]], raha toa ka nanaiky izany ny vehivavy, ary koa ny fahalalahana hifaly amin' ny fahafinaretana rehetra sy hanome fahafaham-po ny fironan' ny tena raha tsy manisy ratsy ny hafa izany."<ref name=":0"><small>Yarshater, Ehsan. 1983. ''The Cambridge history of Iran'', volume 2. p. 1008</small></ref>.
 
Mikasika ny fahasamihafan' ny finoana, dia mino izy ireo fa "ny mpaminany, na dia samy hafa aza ny lalàny sy ny fivavahany, dia tsy mahaforona afa-tsy fanahy iray ihany"<ref name=":0"><small>Yarshater, Ehsan. 1983. ''The Cambridge history of Iran'', volume 2. p. 1008</small></ref>. Nilaza i Naubakhti fa mino ny [[fahaterahana indray ao amin' ny vatana]] ho ny hany karazana fiainana any an-koatra sy ny famaliana ary ny fanafoanana ny fepetra sy adidy ara-pivavahana rehetra. Tena manaja an' i Abou Muslim<ref><small>I Abou Muslim dia jeneraly persiana niasa tamin' ny nandritra ny Dinastia Abasida, izay nitarika ny revôlisiôna abasida nanongana ny Dinastia Ômeiada.</small></ref> sy ny imamany izy ireo. Ao amin' ny fombafombany, izay somary tsotra, dia "mitady ny vokatra ara-tsakramenta lehibe indrindra amin' ny divay sy ny zava-pisotro" izy ireo. Amin' ny ankapobeny, notombanan' i Al-Maqdisi ho "[[Mazdeisma|Mazdeana]]... izay misaron-tena ho [[Silamo]]" izy ireo.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Fivavahana iraniana]]
* [[Zôrôastrisma]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==