Vahoakan' ny Ranomasina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Vahoakan' ny Ranomasina''' dia vondron' olona samihafa vahoaka tamin' ny [[Andro Taloha]] izay tonga avy teny an-dranomasina mba hanafika indroa fara fahakeliny, ny faritry ny [[Vinanin' i Neily]], tamin' ny andro nanapahan' iny [[Merneptà]] sy i [[Ramsesy III|Ramsesy <abbr>III</abbr>]], tamin' ny faran' ny taonjato faha-13 tal. J.K. sy ny fiandohan' ny taonjato faha-12 tal. J.K., tamin' ny faran' ny [[Andron' ny Alimo]] vao haingana (vanim-potoan' ny [[Empira Vaovao tany Ejipta|Empira Vaovao]]), saingy tsy nahita fahombiazana. Nanani-bohitra ny [[Empira Hitita]] sy ny [[Empira Egiptiana]] izy ireo. Nandray anjara amin' ny fitsinjaràn' ny mponina tamin' ny faritra atsinanan' i [[Mediteranea]]. Anisan' ny notafihiny i [[Anatôlia]], i [[Siria (faritra)|Siria]], i [[Fenisia|Foinikia]] (na Fenisia), i [[Kanaana]], i [[Kiprôsy]] ary i [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egipta]].
 
Anisan’ izy ireo ny Loka (''Lukka''), ny Peleseta (''Peleset''), ny Sardana (''Shardana'') ary ny Sekelesy (''Shekelesh''), ary ny hafa. Ny sasany amin' ireo vahoaka ireo dia hita ao amin' ny lahatsoratra avy any amin' ny faritra lavitra any avaratra (faritr' i [[Torkia]]), any amin' ny morontsirak' i [[Anatôlia]] Atsimo sy [[Ampiposahana]], izay manimba ireo fanjaka-mpanjaka nofehezin' ny [[Hitita]] ary nandray anjara amin' ny faharavan' izy ireo. Ny sasany tamin’ izy ireo dia nanorim-ponenana tany amin’ ny faritra [[Atsinanana-Akaiky]], ary ny [[Filistina]] no nalaza indrindra.