Vahoakan' ny Ranomasina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Fanitsiana
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''Vahoakan' ny Ranomasina''' dia vondron' olona samihafa vahoaka tamin' ny [[Andro Taloha]] izay tonga avy teny an-dranomasina mba hanafika indroa fara fahakeliny, ny faritry ny [[Vinanin' i Neily]], tamin' ny andro nanapahan' i [[Merneptà]] sy i [[Ramsesy III|Ramsesy <abbr>III</abbr>]], tamin' ny faran' ny taonjato faha-13 tal. J.K. sy ny fiandohan' ny taonjato faha-12 tal. J.K., tamin' ny faran' ny [[Andron' ny Alimo]] vao haingana (vanim-potoan' ny [[Empira Vaovao tany Ejipta|Empira Vaovao]]), saingy tsy nahita fahombiazana. Nanani-bohitra ny [[Empira Hitita]] sy ny [[Empira Egiptiana]] izy ireo. Nandray anjara amin' ny fitsinjaràn' ny mponina tamin' ny faritra atsinanan' i [[Mediteranea]].
 
Anisan’ izy ireo ny Loka (''Lukka''), ny Peleseta (''Peleset''), ny Sardana (''Shardana'') ary ny Sekelesy (''Shekelesh''), ary ny hafa. Ny sasany amin' ireo vahoaka ireo dia hita ao amin' ny lahatsoratra avy any amin' ny faritra lavitra any avaratra (faritr' i [[Torkia]]), any amin' ny morontsirak' i [[Anatôlia]] Atsimo sy [[Ampiposahana]], izay manimba ireo fanjaka-mpanjaka nofehezin' ny [[Hitita]] ary nandray anjara amin' ny faharavan' izy ireo. Ny sasany tamin’ izy ireo dia nanorim-ponenana tany amin’ ny faritra [[Atsinanana-Akaiky]], ary ny [[Filistina]] no nalaza indrindra.
 
Toa resaka fifindra-monina lehibe àry no resahina, izay tsy isalasalana fa nyniteraka fandringanana maro hita tany amin’ ireo toerana amorontsiraka maromaro tany amin’ ny faritra atsinanan’ i [[Mediteranea]] nandritra io vanim-potoana io. Ity trangan-javatra ity dia niseho tamin' ny hetsika mavitrika izay mitarika ho amin' ny firodanan' ireo fanjakana any [[Atsinanana Afovoany]] sy Mediteranea Atsinanana tamin' ny faran' ny [[Andron' ny Alimo]] vao haingana, izay toa nanana anjara toerana lehibe. Noho ny tsy fahampian' ny tahirin-kevitra ary matetika sarotra ny handikana azy ireo, dia mbola tsy takatry ny saina loatra ny fomba fiasa sy ny anton' izany: tsy fantatra mazava ny niandohan' ny Vahoakan' ny Ranomasina sy ny antony nifindran' izy ireo, ary toa tsy naharitra fisian' izy ireo amin' ny maha-fikambanana tokana azy.
 
== Tahirin-kevitra ==
Ny loharanom-baovao egiptiana dia miresaka ny amin’ ny fananiham-bohitra samihafa nataon' ny Vahoakan’ ny Ranomasina, izay tsy nahomby fa voatosik' ireo andriamanjaka Mineptà nandritra ny vanimpotoan' ny [[Empira Vaovao tany Ejipta|Empira Vaovao]] (1212-1202 tal. J.K.) sy tamin' ny andro nanapahan' i [[Ramsesy III]] (1184-1153 tal. J.K.). Azo akambana amin' izany ny fananiham-bohitra tamin' ny taonjato faha-13 tal. J.K., izay nandravany [[Empira Hitita]], na dia mbola iadian-kevitra ny amin' izany. Azo akambana amin' izany koa ny fanafihana nataon’ ny Akaiana tany Trôy – izay tantarain' i [[Homer|Hômera]] taty aoriana sady nahitan' ny [[arkeôlôjia]] soritra – ary, amin' ny ankapobeny, ny fananiham-bohitra nataon' ny [[Dôriana]], izay namarana ny sivilizasiona [[Minôsy|minôana]], ary ny sivilizasiona mikenianan' i Grisia voalohany.
 
== Toetra mampiavaka iombonana ==
Hoatry ny manana toetra mampiavaka iombonana maromaro ny Vahoakan' ny Ranomasina.
 
Voafehiny tanteraka ny [[fifamoivoizana an-dranomasina]] (i Mediteranea Atsinanana no toy ny toeram-pihaonana sy fiaingan' fihetsiketsehan' izy ireo).
 
Nampiseho fahaiza-manao lehibe izy ireo tamin' ny fandraisany ho toy ny azy ny fomba amam-panaon' ny vahoaka nifanena taminy sy resiny. Ohatra amin' izany ny soratra mitandahatra A sy B an' ny sivilizasiona kretô-mikeniana izay nifandraika amin' ny [[Fiteny grika taloha|endrika tranain' ny fiteny grika]], izay tsy isalasalana fa noraisin' ny mpanani-bohitra.
 
Ireo fanjakà-mpanjaka hitita vaovao tamin' ny taonjato faha-14 hatramin' ny faha-8 tal. J.K. dia namela soratra maneho ny fanakambanana ny [[fiteny hitita]] tranainy sy ny [[Fiteny egiptiana taloha|fiteny egiptiana]] ary endri-piteny isam-paritra hafa koa.
 
Rehefa avy namotika ireo fanjakana nisy tamin' izany fotoana izany ny Vahoakan' ny Ranomasina, dia nanolo azy ireo amin' ny rafi-panjakana maivana kokoa, dia ny fananganana fanjakà-mpanjaka madinika maro tsy manana tany lehibe fa tanàna tokana na vitsy ihany ([[tanàna-fanjakana]]).
 
Farany, ireo vahoaka ireo dia avy any avaratry ny faritra mediteraneana, izany dia mampifandray azy ireo amin' ny fifindrà-monina lehibe faharoa nataon' ny [[Indô-eorôpeana (vahoaka)|vahoaka indô-eorôpeana]].
 
== Ny Vahoakan' ny Ranomasina fantatry ny Egiptiana ==
Amin' ireo vahoaka ireo, ny [[Ejipta tamin' ny Andro Taloha|Egiptiana fahiny]] dia nahafanratra ny Tireniana, ny Sikola, ny [[Filistina]], ny Akaiana. Na izany aza, ireo vondrona izay nanafika an' i Egipta dia fitambaram-bahoaka mifangaro, nentin' ny hetsi-pifindra-monina maneran-tany. Ny Vahoakan' ny Ranomasina, izay tsy nanana soratra, dia tsy isalasalana fa niandohan' ny fipoiran' ny sivilizasiona grika tamin' ny taonjato faha-8 talohan' i J.K.