Zimry: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
I '''Zimry''' dia iray amin' ireo mpitari-tafiky ny mpanjaka israelita atao hoe [[Ela (mpanjakan' i Israely)|Ela]] izay zanaky ny mpanjaka [[Baasa]]. Nanararaotra ny hamamoan' i Ela izy ka namono azy tao Tirza (na Tirtsa) izay nonenan' ny mpanjaka Ela. Novonoin' i Zimry koa ny lehilahy rehetra tamin' ny fianakavian' i Baasa. Araka ny [[Baiboly]] dia fitaovana nanehoan' i [[Iahveh]] ny hatezerany amin' ny fahotan' ny fianakavian' i Baasa i Zimry. Araka ny [[Boky voalohan' ny Mpanjaka]] (1Mpanj. 16.10-15) dia tsy nanjaka afa-tsy fito andro i Zimry satria namono tena tamin' ny alalan' ny fandoroany ny efitra misy azy ao amin' ny lapan' ny mpanjaka ka maty tao noho ny fatahorany ny fikomian' ny vahoaka izay nanao fahirano azy.
 
Tsy nanan-janaka handova azy eo amin' ny fanjakana izy ka i [[Ômry]] mpitari-tafiny no nandimby azy rehefa avy nampamono an' i Tibny zanak' i Ginata izay niady ny seza fiandriana taminy.
 
== Ny anarany ==