Tetiandro babilôniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro babilôniana''' na '''tetiandro mesôpôtamiana''' dia [[tetiandro]] nampiasaina tao [[Mesôpôtamia]] tamin' ny [[Andro Taloha]] izay [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|manara-bolana sy masoandro]], sady ahitana [[Volana (fotoana)|volana]] miisa 12 mitovy faharetana amin' ny tsingerim-pihodinan' ny [[Volana]] izay manomboka rehefa tazana eny amin' ny lanitra ny tsinam-bolana. Ampiana iray volana ny volana 12 rehefa hita fa mihatara loatra ny fanombohan' ny taona (elanelana folo andro) miohatra amin' ny fihodin' ny [[Masoandro]]. Ireo tanàna mesôpôtamiana anefa dia samy nanana ny tetiandrony avy, sady samy nanana ny anaram-bolana azy manokana avy, ka ny fanombohan' ny taona dia amin' ny [[lohataona]] nefa indraindray koa amin' ny [[fararano]]. Taty an-tenantenan' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. vao nisy ny fametrahana tetiandro iraisana tany Mesôpôtamia ka ny tetiandro nampiasaina tao [[Babilôna]] no nampiasaina.
 
Fahefan' ny mpanjaka tamin' izany fotoana izany ny manapa-kevitra amin' ny fanovana ny tetiandro, sy ny manampy anaram-bolana vaovao. Nampifanentanina amin' ny zava-misy ara-toekarena izany (toy ny fizaràna karama, ny fanangonana ny hetra, ny famerenana zana-bola, sns), ary indrindra amin' ny [[fivavahana]], noho ny tetiandro mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny [[litorjia]]. Ny anaram-bolana dia matetika anaran' ireo fetim-pivavahana lehibe.
 
== Ny tetiandrom-panjakana babilôniana ==
Ny fiavian' ny anaram-bolana dia samihafa ka hoatry ny an' ny tetiandro nakambakambana noforonina mba hampisy firaisana ara-pôlitika. Ny sasany dia efa fantatra tamin' ny vanimpotoana [[amorita|amôrita]] (dia ny ''Ayyaru'', ''Elūlu'', ''Abu na Abum'', sy ny ''Du'uzu ,a Tamūzu,'' izay avy amin' ny [[fiteny someriana]]: ny volana ''Dumuzi''). Ny sasany avy amin' ny [[Vahoaka semitika|faritra semitika]] andrefana (dia ny ''Tašrītu'', ary angamba koa ny ''Nisannu''). Ny sasany fantatra tao amin' ny tanànan' i Sosa (na Sosàna) ao Elama (dia ny ''Shabāṭu'' sy ny ''Addaru''). Ny hafa koa dia mety avy amin' ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] (ny ''Araḫsamnu''). Roa ny volana fanombohan-taona ao amin' io tetiandro io, dia ilay amin' ny volana ''Nisannu'' sy ilay amin' ny volana ''Tašrītu'' (volana faha7faha-7 raha atao voalohany ny ''Nisannu''). Ny hoe ''Nissanu'' dia avy amin' ny teny someriana hoe ''nesag'' izay midika hoe "voalohany" ary ny hoe ''Tašrītu'' dia midika hoe "fanombohana" amin' ny [[teny akadiana]].
 
Ireto ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro babilonianababilôniana iraisana: ''Nisannu, Ayyaru, Simānu, Du'uzu'' (na ''Tamūzu'' na ''Tammūzu'')'', Abu, Elūlu'' (na ''Ulūlu'')'', Tašrītu, Araḫsamnu, Kislimu, Ṭebētu, Shabāṭu, Addaru.'' Ny volana fasisika ho fanampiny dia ny ''Elūlu'' na ny ''Addaru.'' Averina indroa izany ny ''Elūlu'' na ny ''Addaru.''
 
Nampiasaina foana io tetiandro io hatraty amin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. ary ny [[Fahababoana tany Babilona|Jiosy voababo tao Babilôna]] dia nampiasa azy io ka nanolo ny [[Tetiandro hebreo|tetiandrony]] talohan' ny fahababoana amin' ny tetiandro babilôniana. Natao filamatra ihany koa io tetiandro io tao amin' ireo [[vahoaka arameana]] izay nampanjaka ny [[Fiteny arameana|fiteniny]] tao Mesôpôtamia sy tao [[Atsinanana Akaiky]], indrindra tao amin' ireo Palmireniana.
Andalana faha-20:
|6
|-
|Babilôniana
|Babiloniana
|''Nisannu''
|''Ayyaru''
Andalana faha-44:
|12
|-
|Babilôniana
|Babiloniana
|''Tašrītu''
|''Araḫsamnu''