Lohataona: Fahasamihafan'ny versiona

k
kAucun résumé des modifications
 
Ny [[tetiandro seltika]] dia manomboka ny lohataona amin'ny 1 Febroary izay ankalazana ny fety atao h''oe Imbolc'' (vakina hoe: imbolg).
 
Ny [[Sindy]] (mponina any [[India]]) dia mankalaza ny taom-baovao amin'ny fiandohan'ny lohataona. Amin'ny 20 na 21 Marsa ny any India sy [[Nepal|Nepaly]] no mankalaza ny [[fetin'ny loko]].
 
Ny [[Japana|Japoney]] koa dia mankalaza ny atao hoe ''Setsubun'' izay fetim-pirenena ho an'ny fiavian'ny lohataona araka ny [[Tetiandro manara-bolana sy masoandro|tetiandro manara-bolana]].
Ny [[Taom-baovao malagasy|taom-baovao malagasy]] dia ankalazaina amin'ny fiantombohan'ny lohataona amin'ny volana Septambra, ho an'ny Malagasy sasany, amin'ny maha fizaran-taona voalohany azy.
 
Ny fankalazana ny fiandohan'ny lohataona, izay fiandohan'ny taona koa, dia misy milaza fa natao tamin'ny faritra maro teto [[Madagasikara]], ka [[Volambita]], araka ny anaram-bolana malagasy avy amin'ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrita]], no fiantsoana izany volana izany.
 
== Jereo koa: ==
28 196

modifications