Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andalana faha-635:
{{article détaillé|Toe-tanin'i Madagasikara}}
 
Tropikaly ny toetany amin'ny morontsiraka, ara-pehibe izy any atsinanana, tropikaly maina izy any amin'ny morontsiraka andrefana sy atsimo, ary tropikaly mangatsiaka izy any ampivoany. Ny Anticyclone[[tohi-drivodoza]]<nowiki/>n' ny Ranomasimbe Indianina no mampisy ny [[alizay]] atsimo atsinanana, mihisaka araky ny [[fizaran-taona]] io alizay io.
 
Manana fizaran-taona roa i Madagasikara: misy [[ririnina]] (maina) amin'ny volana Mey hatramin'ny volana Oktobra, sy [[fahavaratra]] (mando) amin'ny volana Novambra hatramin'ny volana Aprily. Miovaova arakaraky ny haabon-toerana ny [[toetrandro]] sy ny rivotra manjaka. Mandalo amin'ny morontsiraka atsinanana izao ohatra ny alizay, Noho izany dia manorana matetika ny any satria mbola misy an' [[Andringitra]] mitazona ny ankabeazan'ny hamandoana. Any amin'ny morontsiraka atsinanana izao no tena be orana indrindra any Madagasikara (3&nbsp;500&nbsp;mm isan-taona).
 
Mandalo matetika amin'ny fahavaratra ny [[rivodoza]] avy any amin'ny nosin'ny [[Maskareina (tamba-nosy)|Maskarena]]. Maimaina sy mangatsiatsiaka ny tany any andrefan'Andringitra amin'ilay alizay tsy tonga any. Mahatratra 1&nbsp;400&nbsp;mm ny orana latsaka any [[Antananarivo]] amin'ny ririnina, mety mangatsiaka be ny alina any fa tsy dia mivaingana matetika. Fa mety mivaingana ny rano rehefa miakatra any an-tendrona. Amin'ny andro ririnina, ny lanitry ny renivohitra dia anisan'ny tena mazava (amin'ny tantera-kazavana) indrindra eto an-tany. Mbola maina noho ny ampivoany ny toetrandro any andrefana satria efa nilatsaka daholo ny hamandoan'ny alizay. 300&nbsp;mm fotsiny ny tontalin'ny orana latsaka any [[Toliara]] mandritry ny taona